27 aogositra — Teraka tao Thagaste tamin’ny taona 331 i Masimbavy Monique. I Thagaste moa dia ilay antsoina hoe Souk Ahras ao Algerie amin’izao fotoana izao. Ary nodimandry tao Ostie i Monique ny taona 390.

♦ Hivavaka sy handalina ny finoana no tanjon'ny JMJ Mada X, hoy i Mompera Jean Luc Ratovonjanahay, Amônien'ny Vovonam-pirenena Katôlikan'ny Tanora... ♦ Tontosa ny sabotsy 20 aogositra teo ny fanamasinana ho pretra roa sy diakra dimy, ho an'ny Diôsezin'i Mirinarivo... ♦ Hankalazaina amin'ny 28 aogositra ny Andron'ny Diôsezy eto Antananarivo sy fanamasinana ireo ho pretra sy diakra. Misy ny fandaminana manokana momba izany...

26 aogositra — I Zefferino Namuncura dia teraka tamin’ny 26 aogositra 1896 tao Chimpai. Zanak’i Manuel Namuncura izy, fanta-daza tamin’ny tamin’ny fokon’ireo Mapuche izany rainy izany, any amin’ny faritr’i Río Colorado.

25 aogositra — Teraka ny taona 1215 i Louis, natao batemy tao Poissy izy ary tsy maty tao am-pony izany finoana izany ka nahatonga azy hitonona hoe Louis de Poissy rehefa manao sonia na dia amin’ny fiainany andavanandro aza.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...