Vakiteny voalohany

Boky Eksaody (Eks. 34, 29-35)

Nahita ny endrik’i Môizy izy ireo dia natahotra ny hanatona azy.

Tamin’izany andro izany, nidina avy tany an-tendrombohitra Sinaia i Môizy,
ary i Môizy nitondra ny takelaka roan’ny vavolombelona teny an-tanany
nony nidina avy any an-tendrombohitra;
ary tsy fantatr’i Môizy fa tonga nandefa tsirim-pahazavana ny hodi-tavany,
nandritra ny niresahany tamin’ny Tompo.
I Aarôna sy ny zanak’i Israely rehetra nahita an’i Môizy
ka indro nandefa tsirim-pahazavana ny hodi-tavany
dia natahotra ny hanatona azy izy ireo.
Nantsoin’i Môizy ireo,
ka nanatona azy i Aarôna sy ny loholona rehetra amin’ny fiangonana
ka niresaka tamin’ireo izy.
Vao izay vao nanatona azy koa ny zanak’i Israely rehetra,
ka nomeny azy ny didy rehetra noraisiny tamin’ny Tompo
tany an-tendrombohitra Sinaia.
Nony avy niteny i Môizy, dia nosaronany voaly ny tarehiny.

Raha niditra teo anatrehan’ny Tompo i Môizy hiresaka aminy
dia nesoriny ny voaly, mandra-pivoakany.
Rahefa izany dia nivoaka izy ary nanambara tamin’ny zanak’i Israely ny didy azony.
Hitan’ny zanak’i Israely ny tarehin’i Môizy,
fa nandefa tsirim-pahazavana ny hodi-tavan’i Môizy,
ka dia nosaronan’i Môizy voaly indray ny tarehiny mandra-pidiny hiresaka amin’ny Tompo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 98, 5. 6. 7. 9

Eny, marina ny Tompo Andriamanitsika.

Asandrato
ny Tompo Andriamanitra!
Iankohofy ny Fitoeran-Tongony:
fa Masina Izy!

I Môizy sy i Aarôna tamin’ireo Mpisorony,
i Samoela tamin’ireo Mpiantso ny Anarany.
Samy niantso ny Tompo
ka novaliany.

Nitenenany tanaty andry rahona,
nitandrina ny Fanambaràna
sy ny Fitsipika
izay nomeny.

Asandrato ny Tompo Andriamanitsika,
miankohofa eo amin’ny Vohiny Masina!
Masina ny Tompo Andriamanitra!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Alao tampina ny masoko, ry Tompo,
hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 44-46)

Lasa nivarotra ny fananany rehetra izy, ka nividy ilay saha.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:

“Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny rakitra nafenina tany an-tsaha,
izay hitan’olona ka nafeniny tao ihany aloha;
dia lasa tamin-karavoana izy nivarotra izay rehetra mety ho fananany,
ary nividy io saha io.
Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpandranto mitady voahangy tsara.
Ary nony nahita anankiray be vidy izy,
dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...