Amin'ny fiainana dia atao fomba fanao ny manao jery todika ny zavatra nisy sy nolalovana mba entina hanatsarana ny ho avy. Tsara ny hametrahana ny fanontaniana amin'ny tena : aiza ho aiza ny fiainanao eo anatrehan'ny safidy noraisinao?. Ny fanaovana an'io safidy io araka ny tokony ho izy dia hahatsara ny fiainanao. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Nanazava ny antony nanemoran'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana ny fifidianana filoham-pirenena fiodinana voalohany amin'ny 16 nôvambra 2023 ny filohan'ny CENI. Fahefana handrindra ny fifandraisana amin'ny samy andrim-panjakàna no antony hoy izy... ♦ Hijoro hampihavana ireo mpifanandrina pôlitika sy ireo kandidà tsy mitovy hevitra manomboka izao ny kandidà niara-dia tamin'ny vondron'ny kandidà 11, dia ny kandidà Lalaina Ratsirahonana... ♦ Mandrahona hampikatso ny fampandehanan-draharaham-panjakàna manoloana ny fizirizirin'ireo mpanao pôlitika tsy mety mifampidinika ny Vondron'ny Mpiasam-Panjakàna ambony...
Ny soa iombonana dia iray tsy mivaky. Toe-tsaina tokony ho fongorantsika hatramin'ny fakany ny fitiavan-tena, ny tsy fahaizana mizara ny soa amin'ny hafa. Endriky ny tsy fahavononana hikatsaka ny soa iombonana io fitiavan-tena io. Samy nomen'Andriamanitra talenta avokoa ny isam-batan'olona, talenta tsy natao ho tehirizina fotsiny fa natao ho zaraina amin'ny hafa. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
19 ôktôbra 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahavalo amby roapolo Mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 47-54)
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco