♦ Nametra-pialana io maraina io, ireo mpanolontsaina Avo roa misolontena ny Antenimieram-pirenena eo anivon'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana... ♦ Fitaovana entina manatsara ny fanangonan-ketra sy hampitombo ny fidiram-bolan'ny Fanjakàna ny Registre Centrale des Bénéficiaire effectifs (RCB)... ♦ Noravaina andian'olona nisaron-tava vao maraimbe omaly talata 16 jona ny kianja Barça 67 Ha, nilaza ho tsy tompon'antoka tamin'izany ny fitondram-panjakàna ary nangataka ny hampitsaharana ny fandravana... ♦ Hitsidika ny foiben'ny PAM, ao Rome, ny Papa Léon-XIV, amin'ny alatsinainy ho avy izao...
Ny volana jona dia volana manasaka ny taona ; iray volana hanajàna ny Fo Masin'i Jesoa ; Volana JONA dia iray volana ho an'ny ankizy ; Volana hanaovana ny fanadinana famindrana kilasy ; Volana hanombohan'ny fanadinam-panjakàna ; Volana hanandratana ny teny Malagasy izany hoe iray volan'ny teny Malagasy ; Volana misy andro iray momba ny MOZIKA sy ny KOLONTSAINA ; Volana hankalazana ny niverenan'ny fahaleovantena ho an'ny Firenena Malagasy... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
♦ Tsy tokony hihoatra ny herinandro ny fivoahan'ny valim-panadinana CEPE saingy miankina amin'ny fari-piadidim-pampianarana tsirairay anefa izany hoy ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena... ♦ Namaly ny tsikera mahazo ireo solombavambahoaka ho mpananga-tanana fotsiny fa tsy mandinika ny lalàna mifehy ny teti-bolam-panjakàna ny filohan'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Nohafahan'ny Fitsaràna ireo mpitsabo miisa enina, raha voasazy 18 volana an-tranomaizina sy handoa onitra 6.000.000 Ariary ilay mpampily ny fiara nitarika ny loza nahafaty ny solombavambahoaka Jean Jacques Rabenirina...
Matetika hita any amin'ny faritra na firenena tsy mandroso ara-toekarena loatra ny fisian'ny tany midadasika be tsy ampiasain'olona kanefa dia tokony ampiasaina hampitomboana harena. Mazàna dia olona vitsy mpikarama na mpanofa sombin-tany no mikarakara azy eo. Ireo miasa tena mifototra eny an-kianja anefa tsy mahazo karama ara-drariny... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny fivoarana ara-toekarena ", iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco