♦ Mikarakara varavarana misokatra, hetsika tafiditra anatin'ny fanamarihana ny faha-30 taonany ny Radio Don Bosco ny 24 jona 2026 izao. Tsy hifarana ny fankalazana raha tsy ny faha-31 janoary 2027... ♦ Manentana ny Malagasy hanamafy indray ny fitandremana ara-pahasalamana manoloana ny fiparitahan'ny valan'aretina MPox ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka. Distrika miisa 5 no tena ahitàna betsaka azy tao anatin'ny efatra herinandro... ♦ Manohana ny fampandrosoana ny fampianarana teny Anglsy eto Madagasikara ny governemanta amerikana. Atao eny amin'ny ENS Ampefiloha ny fihaonambe moma ny fampianarana teny Anglisy...
Ny kolontsaina no mampiavaka ny firenena samihafa. Miandrandra fanavaozana ny Malagasy ary ny fiverenana amin'ny fanajana ny kolontsaina no fototra tsara hizorana amin'izany. Ny fifanajana sy ny fanajana dia soatoavina tsara mpampiavaka ny Malagasy; voalohany amin'ireny ny fanajana ny tena amin'ny alalan'ny fitondran-tena mendrika (fomba fiaina sy fomba fiteny). Ny fifanakalozan-kevitra, ny fifampiresahana dia vokatry ny fifanajana sy fanajana, mampitsiry fitiavana, ireny no mampitoetra ny fifanomezan-kasina ka hampilamina ny fiaraha-monina... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Hifidy izay ho solontenany handrafitra ny Fitsaràna Avo momba ny Lalàm-panorenana ny eny amin'ny Antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza. Nametra-pialana amin'ny maha mpanolontsaina avo azy Andriamatoa isany Georges Merlin Nandrasana sy Noelson William... ♦ An-jatony ireo orinasa afak'haba eto Madagasikara no tsy manaja sy tsy manana sata ara-dalàna amin'ny maha orinasa azy ka tsy maintsy handraisana fepetra hoy ny MInistry ny Indostria... ♦ Atahorana indray ny ho avin'ny CNaPs hoy ny Firaisan'ny Sendikan'ny Mpiasa. Miverina indray ny fomba tsy nety fanao teo aloha amin'ny fitantanana ny vola ao aminy...
Ny Fanjakàn'i Jesoa Kristy no iankinan'ny asa mampandroso ny toe-karena sy ny fiaraha-monina. Ny Kristiana mazoto hampandroso ny toe-karena sy ny fiaraha-monina ary hampanjaka ny fahamarinana sy ny fitiava-namana dia tsy maintsy mahalala marina fa hahavita be izy ireo amin'ny fampandrosoana ny taranak'olombelona sy ny fandriam-pahaleman'izao tontolo izao... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny fivoarana ara-toekarena ", iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco