♦ Niampy iray indray ireo olona namoy ny ainy, tamin'ilay fanapoizinana ara-tsakafo nitranga teny Ambohimalaza. Tafakatra 29 izany izao ireo maty tamin'ity raharaha ity... ♦ Havaozina ny seranam-piaramanidina ho an'ny sidina anatiny ety Ivato. Handanian'ny Ravinal Airports vola hatrany amin'ny 1,6 tapitrisa Euro izany fanavaozana izany, izay kendrena ho vita, mialohan'ny faran'ny taona... ♦ Nandiso ny vaovao miparitaka milaza ny fahitana ilay sambo A.W izay tsy hita popoka hatramin'izao ny MInistry ny Fitanterana. Nihaona tamin'ny fianakavian'ireo mpandeha tao amin'io sambo io tao Mahajanga izy... ♦ Antenaina hilamina amin'ny herinandro ho avy io ny ady misy amin'ny Palestiniana sy ny Israeliana any Gaza...
♦ Andrasana amin'ity herinandro ity ny fihaonana eo amin'ny Filoham-pirenena sy ny mpiasan'ny JIRAMA, momba ny fitokonan'izy ireo, efa nilaza ny Filoha fa vonona ny hihaona amin'ireo mpiasa... ♦ Olona miisa 4 no efa voasambotra ka ny telo amin'izany no nahiditra am-ponja vonjimaika noho ny raharaha famoahana laza adina Baccaloréat, mialohan'ny fotoana, nandray fanapahan-kevitra maromaro ny ministera mpiahy, hanomanana ny fanadinana amin'io herinandro ho avy io... ♦ Mitohy ny fijerena ny olan'ny aretina tazomoka, mamely any Ikongo, fitsaboana sy matsiana sakafo ireo tena marefo no natao voalohany...
Dia iny niarahantsika nahita tamin’ny herinandro iny ny hetsik’ireo mpiasan’ny Jirama. Nitaintaina ny rehetra fa izay vao tsy hisy famatsiana herinaratra sy rano intsony fa hitokona ny mpiasa. Nilaza rahateo ireo mpitarika fa akatona ny birao fiasana fa eny Soanierana ny fotoana ho an’ny mpiasa rehetra teto Antananarivo. Toa nahitana fitokonana koa aza tany amin’ny faritra. Kabary mafonja no heno teny Soanierana nataon’ireo nandray fitenenana, vava re izao e! Tsy hifampidinika fa tongava ety e! Voatonontonona ny anaran’ny Solombavambahoaka malaza, nomena fe-potoana 24 ora hatramin’ny Filoham-pirenena hamaha olana.
Ny relijiozy manokan-tena hanahaka an'i Jesoa dia manao ny voadin'ny fanekena izy mba hanarahana ny torohevitry ny Vaovao Mahafaly. Amin'ny alalan'io voadin'ny fanekena io no anolorany ny sitrapony manontolo ho sorona amin'Andriamanitra. Entanin'ny Fanahy Masina ny relijiozy ka manaiky amim-pinoana ny Lehibeny... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco