♦ Niampy iray indray ireo olona namoy ny ainy, tamin'ilay fanapoizinana ara-tsakafo nitranga teny Ambohimalaza. Tafakatra 29 izany izao ireo maty tamin'ity raharaha ity... ♦ Havaozina ny seranam-piaramanidina ho an'ny sidina anatiny ety Ivato. Handanian'ny Ravinal Airports vola hatrany amin'ny 1,6 tapitrisa Euro izany fanavaozana izany, izay kendrena ho vita, mialohan'ny faran'ny taona...  ♦ Nandiso ny vaovao miparitaka milaza ny fahitana ilay sambo A.W izay tsy hita popoka hatramin'izao ny MInistry ny Fitanterana. Nihaona tamin'ny fianakavian'ireo mpandeha tao amin'io sambo io tao Mahajanga izy... ♦ Antenaina hilamina amin'ny herinandro ho avy io ny ady misy amin'ny Palestiniana sy ny Israeliana any Gaza...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...