♦ Andrasana amin'ity herinandro ity ny fihaonana eo amin'ny Filoham-pirenena sy ny mpiasan'ny JIRAMA, momba ny fitokonan'izy ireo, efa nilaza ny Filoha fa vonona ny hihaona amin'ireo mpiasa... ♦ Olona miisa 4 no efa voasambotra ka ny telo amin'izany no nahiditra am-ponja vonjimaika noho ny raharaha famoahana laza adina Baccaloréat, mialohan'ny fotoana, nandray fanapahan-kevitra maromaro ny ministera mpiahy, hanomanana ny fanadinana amin'io herinandro ho avy io... ♦ Mitohy ny fijerena ny olan'ny aretina tazomoka, mamely any Ikongo, fitsaboana sy matsiana sakafo ireo tena marefo no natao voalohany...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...