Talata 10 marsa 2020 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 23, 1-12 — Na ankehitriny aza anefa, hoy ny Tompo, miverena amiko amin'ny fonareo rehetra, fa mamindra fo sy miantra aho.
Mila paik'ady isika amin'ny fitondran-tena iatrehana ny fiainana andavanandro, raha te hiaina am-pilaminana, an-kafaliana, an-kasambarana, na dia tsy misy aza ny fiainana tonga lafatra. Hanampy antsika amin'izany ny fahaizana mandanjalanja ny : fahatokiana / fanahiana ; tompon'antoka / iharany ; miolon-ko azy/ mitodika amin'ny hafa.
Alatsinainy 09 marsa 2020 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 36-38 — Ny tsara no tadiavo fa aza ny ratsy mba ho velona ianareo ka homba anareo ny Tompo.
Alahady 08 marsa 2020 — Alahady faharoa amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratran'i Masindahy Matio 17, 1-9 — Tao anatin'ny rahona mamirapiratra no re ny feon'ny Ray nanao hoe : Ity no Zanako malalako : henoy Izy.
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco