Talata 10 marsa 2020 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 23, 1-12 — Na ankehitriny aza anefa, hoy ny Tompo, miverena amiko amin'ny fonareo rehetra, fa mamindra fo sy miantra aho.
Fanetren-tena, firahalahina, hatsaram-panahy : izay raha fintinina ny fampianaran'i Kristy nambaran'i Masindahy Matio tamintsika teo. Melohin'i Kristy ampahibemaso ny fomba fanao sy ny fihetsiky ny Farisianina sy ny mpanora-dalana izay mihatsara velatsihy. Maka ny toeran'i Moizy, nefa tsy manatanteraka izay sitrak'Andriamanitra akory. Ny fisehosehoana eto ivelany no masaka an-tsainy, fanarahan-dalana ambokony fotsiny fa tsy vokatry ny fo. Marina fa tsy maintsy arahana ny lalana, nefa mba ampifanarahana amin'ny maha olona fa tsy sanatria hitadiavana voninahitra na hamoretana ny hafa.
Mitaky fanetren-tena sy hatsaram-panahy tokoa ny fampiharana ny lalana araka izay fampianarana nomen'i Kristy antsika teo izay, ary aro fanina mihitsy aza izy ireny eny anivon'ny fiaraha-monina, fitaovana handrindra ny lamina eny anivon'ny maha olona eny. Koa manoro antsika izay tokony hatao i Kristy eto, indrindra amin'izao vanim-potoanan'ny Karemy izao, mba ho mariky ny fibebahana tokoa ny fiainana azy ireny fa tsy sanatria ho fombafomba na fahazarana fotsiny.