Nandritra ny volana novambra lasa teo dia niompana tamin’ny fankalazana ny famaranana ny taom-pikatrohana 2019 ny ankohonam-piainana aty Guatemala, eny amin’ny sampan’asa rehetra hiandraiketany.
Alakamisy 12 desambra 2019 - Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo.
Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 11-15.
Izay manan-tsofina hihainoana aoka hihaino. Asehoy anay ry Tompo ny hatsaram-ponao ary omeo anay ny famonjena avy aminao.
Hafalian'ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina ny zanaka, hoy ny Papa François. Fanomezan'Andriamanitra izy ireo. Manana fifandraisana lalina ny ray aman-dreny sy ny zanaka noho izy ireo mifaningotra aina. Tohin'ny Katesizin'ny Papa François momba ny fianakaviana, miaraka amin'i P. Justolat E. Rafaralahimboa :
Alarobia 11 desambra 2019 - Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo.
Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 28-30.
Indro ho avy ny Tompo hanavotra ny vahoakany, sambatra izay vonona hitsena Azy.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco