Alatsinainy 12 ôktôbra 2020 — Jean Beyzym, Olontsambatra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 40-45 — Ny aretintsika no nentin'i Kristy, ary ny fahoriantsika no nivesarany.

0 : 00

Mahatsiaro ny olontsambatra Jean Beyzym ny Fiangonana androany. Jean Beyzym, ilay pretra misiônera Jésuite niasa teto Madagasikara. Misy fomba fiteny malagasy izay hoe : "Sakamalaho sy havozo, ka samy manana ny hanitra ho azy". I mompera Jean Beyzym dia nantsoina hoe apôstôlin'ny marary hoditra. Anisan'ny tena sarotra ny fikarakarana ireny maray hoditra ireny ka mila fandavan-tena. Dia izay volazan'ny Evanjely androany àry, no nampiharin'ity olontsambatra ity, ara-bakiteny teo amin'ny fiainany, ka azo lazaina fa naka tahaka an'i Kristy izy. Tsy mba tao aminy mihitsy ny tahotra na ny ahiahy nanoloana ny fifampikasohana tamin'ireny marary hoditra ireny. Ary araka ny tantaram-piainany, dia naniry ny ho bola tahaka ireo olona notsaboiny izy, kanefa tsy nomen'Andriamanitra azy izany.

Raha fintinina ny fiainan'ity olontsambatra ity dia toy izao manaraka izao : olon'ny finoana izy satria nanana fahatokisana an'Andriamanitra tamin'ny asany rehetra, indrindra tamin'ny fikarakarana ireo marary hoditra izay nataon'ny fiaraha-monina ankilabao. Olon'ny fanantenana ihany koa izy, satria nanentana ireo marary izy mba hanana fanantenana sy faharetana eo amin'ny fiainana. Ny tanjony tamin'izany dia ny tsy hahakivy ireo marary ka mety hampamoy fo azy ireo. Olon'ny fitiavana ihany koa izy, hitany tao amin'ireo marary ireo ny endrik'i Jesoa. Ny olona toa ireny, hoy izy, no tokony hanehoana fitiavana, ka natolony ho an'ireo marary ny heriny manontolo sy ny tanlenta rehetra izay nananany. Tsy mora ny mahazo ny fanjakan'ny Lanitra, hoy Ianao Andriamanitra Ray, herezo àry, izahay eto amin'ity tany fandalovana ity, hiaina marina tokoa araka izay tena sitraponao, fa ny soa atao levenam-bola ary sambatra izay mitia manompo. Olontsambatra Jean Beyzym, mivavaha ho anay. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 5 septambra 2025

• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...