Mampisy fifandraisana ara-pianakaviana ny fanekena hatrany ny sitrapon'Andriamanitra mba hahatsara ny fiainan-tokatrano. Ny fanabeazana ara-pinoana kristiana omena ny zaza dia manamora ny fifankahazoana am-po eo amin'ny mpianakavy. Katesizy momba ny fianakaviana,iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria... 

Sabotsy 19 jona 2021 — Herinandro faharaika ambin'ny folo mandavantaona — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 24-34

♦ Misy ambadika hafa ny savorovoro eny amin'ny Oniversiten'ny mpianatra any Toliara, hoy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zadarimariam-pirenena, androany. Nilaza ity jeneraly ity, fa misy olona karohin'ny mpitandro ny filaminana amin'izao, voalaza fa ambadik'izany... ♦ Efa vita 99% ny asa fanamboarana ny lalana Rocade Iarivo, mampitohy ny By-Pass sy Andranobevava, namboarin'ny fitondrana teo aloha. Voalaza fa hitokana izany ny Filoham-pirenena ny 24 jona izao...

♦ Natolotra ny Arsevekan'Antananarivo sy ny tompon'andraikitra eo anivon'ny Seminera Zandriny Ambohipo omaly, ny Podium, tsangam-bato fahazato taonan'ny Seminera Zandriny... ♦ Ny Général de Division Sahivelo Lala Monja Delphin no voatendry ho lehiben'ny Etamazaoron'ireo tafika...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...