Alakamisy 12 desambra 2019 - Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo.
Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 11-15.
Izay manan-tsofina hihainoana aoka hihaino. Asehoy anay ry Tompo ny hatsaram-ponao ary omeo anay ny famonjena avy aminao.

Hafalian'ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina ny zanaka, hoy ny Papa François. Fanomezan'Andriamanitra izy ireo. Manana fifandraisana lalina ny ray aman-dreny sy ny zanaka noho izy ireo mifaningotra aina. Tohin'ny Katesizin'ny Papa François momba ny fianakaviana, miaraka amin'i P. Justolat E. Rafaralahimboa :

Fanompoana: fikelezan'aina ho an'ireo matanjaka ao anatin'ny fiaraha-monina, ireo andriana mpanan-karena.

Novonoina tsy mivantana loatra ny zaza kambana. Apetraka eo amin'ny fivoahan'ny andian'omby na avela ho sempotra ao anaty fompotra, araka ny heno tamin'ireo ray aman-dreny teo aloha.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 1 jolay 2024

♦ Hotontosaina any amin'ny Arsidiôsezin'Antsiranana amin'ny volana aogositra 2024, ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly... ♦ Efa ao anatin'ny fahavononana tanteraka handray ireo vahiny avy amin'ny Diôsezy manerana an'ny Madagasikara, ny Diôsezin'i Maintirano, mandritra ny fanamasinana ho Eveka any Mgr Rakotohasimbola Clément Herizo, amin'ny 14 jolay 2024... ♦ Masera enina mirahavavy, avy amin'ny fikambanana Sœurs Missionnaires de l'Évangile, no nanonona ny voady mandrakizay, tao amin'ny EKAR Masindahy Joseph Vinaninkarena, Diôsezin'Antsirabe...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...