Sabotsy 04 jolay 2020 — Herinandro faha-13 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 14-17 — Niteraka antsika an-tsitra-po tamin'ny tenin'ny fahamarinana Izy, mba ho santatry ny zava-boaariny isika.
♦ Nahazo vola maherin'ny 2 tapitrisa dolara avy amin'ny Vondrona Afrikana sy ny Banky Afrikana ho an'ny Fampandrosoana, hanampiana ny mponina any atsimo ho afaka hiatrika ny haintany, ny fitondram-panjakana Malagasy... ♦ Hanafoana tanteraka ny délestage matetika eto Madagasikara sy hamporisika ireo mpampiasa vola eto amintsika ny fahavitan'ilay tetik'asa goavana "Autoroute de l'électricité PRIRTIME I"...
Zoma 03 jolay 2020 — Masindahy Thomas, Apôstôly — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 20, 24-29 — Nino ianao, ry Tomà, satria nahita, hoy ny Tompo ; fa sambatra izay tsy nahita ka mino.
♦ Hamafisina ny ezaka ho entina miatrika ny valan'aretina sy ny fiantraikany eto amin'ny firenena... ♦ Mampihatra ny fihibohana hisakanana ny fihitaran'ny valan'aretina Coronavirus ny any amin'ny distrikan'i Vohipeno, manomboka androany... ♦ Very olomanga ny tontolon'ny pôlitika eto Madagasikara. Nodimandry teo amin'ny faha-82 taonany omaly ny Praiminisitra teo aloha Dokotera Rakotovahiny Emmanuël...
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco