♦ Trano 250 no may kila hotohoton'ny afo, Anarivony ny tra-boina tsy manan-kialofana, vokatry ny hain-trano nitranga tao amin'ny Fokontany Masindrano-Mananjary... ♦ Hamoraina sy hampiasàna ny teknôlôjia môderina manomboka izao ny fandraisana ny mombamomba ny mpandeha amin'ny taxi-brousse na ny famenoana ny Manifold... ♦ Nivoaka omaly ny didim-pitsarana momba ny fitoriana nataon'ireo mpisolovava miisa 3, niampanga ny holafitry ny mpisolovava tamin'ny fifidianana sy fanendrena ny solontenan'io holafitra io ao amin'ny CNIDH...
♦ Manoso-kevitra amin'ny fahefana mpanatanteraka ny antenimieram-pirenena, mba hanomezana hasina kokoa ity andrim-panjakàna ity amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra goavana... ♦ Manainga ny malagasy hitandro ny firaisan-kina, fototry ny fihavanana ny filohan'ny antenimieran-doholona, manoloana ny fikasàna hifofo ny ain'ny filoham-pirenena... ♦ FIER Mada 22: Ho ambohi-pihaonan'ny mpamokatra, ny teknisiana, ny mpandraharaha sy ny tompon'andraikitra maro, manomboka anio, eny amin'ny kianja Maki Andohatapenaka...
Betsaka ankehitriny ny tanora mianatra mitia ny fahanginana sy mifandray akaiky amin'Andriamanitra. Misy andiana tanora mivory mba hitsaoka ny Sakramenta Masina na hivavaka miaraka, izay efa mivoatra tokoa. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Alarobia 4 aogositra 2021 — Herinandro fahavalo ambin'ny folo mandavantaona — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 15, 21-28
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco