Alakamisy 11 marsa 2021 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo; ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 14-23
♦ Mafy orina sy mitohy tsara ny fiaraha-miasa eo amin'ny Baky iraisam-pirenena sy i Madagasikara, fa tsy araka izay inian'ny sasany aely, hoy ny Minisitry ny toe-karena sy ny teti-bola, raha nanao sonia ny fahazoana fanomezana 150 tapitrisa dolara avy amin'ny Banky iraisam-pirenena androany... ♦ Mety hampiantso fivoriana tsy ara-potoana ho an'ireo parlemantera, amin'ny herinandro ambony ny governemanta, araka ny fanadihadiana natao teny amin'ny Antenimierandoholona, ka lahadinika amin'izany ny mahakasika ireo mpikambana ao amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana...
Tsy nandao an'i Maria i Josefa noho izy nino ny filazan'ny anjelin'ny Tompo. Nanaiky ny iraka nankinin'Andriamanitra taminy izy: Niambina ny fahavirijinian'i Maria ary niantoka ny fahamarinan'ny maha-olombelona an'i Jesoa.
♦ Hisy fanitsiana indray manomboka ny volana mey izao ilay vidin-jiro sy rano vaovao "Tarif Optima" eo anivon'ny orinasa Jirama... ♦ Tafakatra avo telo heny noho ny teo aloha ireo handray anjara amin'ny fanadinana fifaninanana handraisana mpandraharahan'ny fonja... ♦ Atahorana hiparitaka be any Mahajanga indray amin'izao ny valan'aretina entin'ny Coronavirus. Nandray andraikitra nanentana ny rehetra hampihatra ny fepetra ara-pahasalamana ny tompon'andraikim-panjakana any an-toerana...
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco