Tsy nandao an'i Maria i Josefa noho izy nino ny filazan'ny anjelin'ny Tompo. Nanaiky ny iraka nankinin'Andriamanitra taminy izy: Niambina ny fahavirijinian'i Maria ary niantoka ny fahamarinan'ny maha-olombelona an'i Jesoa.
Niaro sy nanabe ny Zanak'Andriamanitra i Josefa. Afaka nanatanterka ny iraka izy satria nahatoky an'ilay Andriamanitra Mahefa ny zavatra rehetra. Tohin'ny fandaharana momba an'i Md Josefa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J.Emilien, Recteur du Petit Séminaire, Ambohipo, Antananarivo.