Miteraka olana goavana ary tsy misy soso-kevitra raikitra azo atolotra hamahana azy ny fifindra-monina an-tery. Averiko ihany fa tsy maintsy miezaka mihaino ny tantaran'ireo mpifindra-monina, mba hialana amin'ny fitsarana an-tendrony sy hamahana ny hamafisan'ny fontsika ; Manome anarana sy tantara ny tsirairay. Misy mpanao gazety mahay maro efa manao an'izany. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Sabotsy 18 jona 2022 — Herinandro faha iraika ambin'ny folo mandavantaona — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 24-34

♦ Lalan'ny firaisan-kina, izay no hatao anaran'ny Lalam-pirenena faha-13. Natomboky ny Filoham-pirenena tany Ambovombe androany, ny fanamboarana ity lalana ity... ♦ Tsy mankasitraka ny fanenjehana sy ny fanakorontanana ny fitondrana ankehitriny ny VMF, ary tsy mankasitraka ny fikasan'ny mpanohitra, hanao fiaraha-mitantana... ♦ Miantso ny FFKM sy ny fianakaviam-be iraisam-pirenena, handresy lahatra ny fitondrana amin'ny tokony hanatanterahana fikaonan-doham-pirenena, ny tanora RMDM...

Tanora efatra hetsy isan-taona no tonga eo amin'ny tsenan'ny asa, eto Madagasikara, araka ny tarehimarika misy. Tsy afaka mandray azy ireo anefa ny orinasa misy eto amintsika noho ny tontolo ara-toekarena. Ny sehatr'asa eny ambanivohitra no mamaha olana amin'izay tsy fahampian'ny asa atolotra izany. Mitaky fahaiza-mamokatra izany, tsy ho tratra raha tsy amin'ny alalan'ny fiofanana.

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...