• Misy faritra andro ratsy arahi-maso akaiky ao amin'ny lakandranon'i Mozambika...
  • Nitrangàna fitsaram-bahoaka nahafatesan'olona any Antsahatanteraka kaominina Manampatrana distrikan'Ikongo...
  • Mbola nisafidy ny tsy haneho hevitra be loatra manoloana ny raharaham-pirenena ankehitriny Ramatoa Razanamahasoa Christine...
  • Andrasana anio ny fifanakalozana babo eo amin'ny Israeliana sy ny Hamas Palestianina...

  • Iaino hatrany ny fahamarinana na dia toa tsy misy mahita aza, hoy ny hafatra avy amin'ny FFKM. Mitantana ny FFKM manomboka izao ny avy amin'ny EKAR...
  • Hitohy anio sy amin'ny alarobia izao ny famoahana ny Fitsaràna misahana ny ady amin'ny Fanjakàna any amin'ny Faritany dimy, voka-pifidianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina...
  • Efa mila mizatra manoloana ny ho fiovaovan'ny vidin-tsolika amin'izay isika eto Madagasikara manomboka izao, hoy ny ministry ny angovo sy ny akoranafo...
  • Nankasitraka ary miantso hatrany amin'ny Fanajàna ny fifanarahana fampitsaharana ny ady any Gaza ny Papa François...

I Masindahy Fabien sy i Masindahy Sébastien no tsaroana ny 20 janoary. I Masindahy Sébastien dia teraka tao Narbonne tamin'ny taonjato fahatelo ary anisan'ny niady mafy niaro ny Fiangonana Katôlika Romana. I Fabien kosa dia evekan'i Roma.

Ny vavaka dia tolona fa tsy haitraitra ary tena tolona ny fiainana maha kristianina, betsaka mantsy ireo faka-panahy mety hanelingelina, eritreritra samihafa. Ny vavaka dia ilana finoana sy fanantenana. Ny vavaka dia mitondra hafaliana sy fahatoniana. Misy ady tsy maintsy hatrehana manoloana ny vavaka, mila fiezahana hifantoka sy fanolorantena... Katesizy momba ny tolona fanao amim-bavaka, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...