I Jesoa Kristy irery ihany no fahamarinana, sy hany lavorary, izay mihendraka amin'ny dia very. I Kristy no naharian'Andriamanitra an'izao tontolo izao, ny voahary manontolo dia miandry ny fiverenany amim-boninahitra. Ny fiangonana ankehitriny dia miatrika ny zava-misy ka mampita ny hafitr'i Jesoa Kristy amin'ny alalan'ny Sorotra Masina noho izany dia ny Evanjely no hany hatsapana ny lanja ny fiainana, izany hoe amin'ny alalan'ny Tenany sy ny Teniny. Irina ny mba hisian'ny fotoam-pivavahana sy famakiana Soratra Masina amin'ny fitokanana maro samihafa... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 5 ôktôbra 2026

• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...