Ny Sacrosanctum Concilium no fo sy fototra teolojia nitarika ny fanavoazana rehetra niseho tao amin'ny Litorjia taorian'ny Konsily Vatikana-II. Ny fanavaozana ny Litorjia dia tsy midika hanova amin'ny tsy antony, fa hanavao amin'ny fanajana ny lova masina sy ny foto-pampianarana marina : hanatsara ny fahatakarana sy fandraisan'ny vahoaka anjara, hanala izay zavatra tsy ilaina... Katesizy momba ny fanainga ny olona hiofana momba ny Litorjia, iarahana amin'i P. Herizo Ramamonjisoa.
• Voarohirohy amin'ny raharaha 11 miliara nalaina tao amin'ny CNaPS, ny Ben'ny Tananan'Antananarivo amperin'asa. Notazonina sy atao andrimaso eny amin'ny BIANCO Ramatoa Harilala Ramanantsoa... • Mila vahana haingana ny olana eo anivon'ny JIRAMA, izay mahatonga ny mpiasa manao fitokonana ankehitriny. Ny olan'ny famatsiana jiro sy rano mantsy no niteraka ny savorovoro teto amin'ny firenana ka niafara tamin'ny fionganan'ny fitondrana teo aloha... • Manana anjara toerana lehibe amin'ny fampandrosoana ny firenena ny sehatra tsy miankina, hoy ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, ny Dokotera Ramiarison Herinjatovo...
♦ Miankina amin'ny fivoaran'ny fikaonan-doham-pirenena no afahan'ny CENI manolotra soso-kevitra ho an'ny tetiandrom-pifidianana hoy ny filohan'ny CENI... ♦ Atao andrimaso eny anivon'ny birao mahaleontena miady amin'ny kolikoly (BIANCO) taorian'ny naha voasambotra azy tany Toamasina Ramatoa Rinah Rakotomanga... ♦ Miroso amin'ny fandiovana ireo lakan-drano ao Antananarivo renivohitra mandritra ny 20 andro, hisorohana ny fiakaran'ny rano ny APIPA... ♦ Hitsidika ny Oniversite Paontifikalin'i Latran, amin'ny zoma ho avy izao, i Papa Léon-XIV...
Ny sakafo no zava-dehibe indrindra ho an'ny fahasalaman'ny zokiolona. Ny torimaso mitana anjara andraikitra betsaka ho an'ny fahasalamana ihany koa. Ny fanaovana fanatanjahantena dia singa fahatelo entina mikajy ny fahasalamana, ho an'ny zokiolona, indrindra izay afahana manetsika ny vanin-taolana. Ny fampiasana saina ihany koa dia ilaina mba hitahirizana ny fitadidiana, manampy ireny ny fanadiovana ny vatana... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco