Ny firaisan-kina no hery ary ny fifampiresahana dia miteraka filaminana, ireo no mitondra amin'ny fampandrosoana. Ny fanabeazana miainga ao an-tokantrano no mampianatra ny zanaka hahay andray andraikitra miainga amin'ny fanadiovana ny vatana. Ny fifampitokisana dia mitondra amin'ny fahamarinana, ho voahaja manaraka izay ireo soatoavina hafa... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
I Masimbavy Martine no tsaroana rehefa 30 janoary. Teraka tao Roma avy amin'ny fianakaviana fanta-daza i Martine. Intelo ny rainy no "Consul" ary niavaka tamin'ny finoana velona sy ny fitiavana mivaivay nananany. Rehefa maty io rainy io dia namidin'i Martine avokoa ireo fananany ary ny vola azony dia nentiny nanaovana asa fitiava-namana sy famindram-po ho an'ireo mahantra.
Mba ho mpivavaka marina sy feno zotom-po, dia ilaina ny fahaizana mandrindra fotoana eo amin'ny fiainana andavanandro. Tsy mety raha omena vahana ny hakamoana sy ny hakiviana, indrindra amin'izay fahasoavana angatahintsika manokana. Matetika dia ny tsirambina vokatry ny tsy fanomanana tsara ny fandinihana na fibanjinana no miteraka ny tsy fahombiazana na hamainana anaty... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco