♦ Niainga teto Antananarivo omaly ireo fanampiana vonjy rano vaky avy amin'ny fitondram-panjakàna ho an'ireo niharam-boina tamin'ilay haitrano tany Mananjary... ♦ Hanao hetsika fitakiana ny fialan'ny Lehiben'ny Distrikan'Arivonimamo ao Imerintsiatosika anio alarobia 17 septambra, ny vahoaka izay tarihin'ny solombavambahoaka Rajerison Antoine... ♦ Tanora manodidina ny 25.000 isa no handray anjara amin'ny fihaonamben'ny tanora Afrikana mifandray izay atao ny 26 hatramin'ny 30 novambra 2025 ho avy izao, efa vonona amin'ny fandraisana izany isika eto Madagasikara...

• Tsy niandry ela fa nandefa fanampiana hamonjena ireo traboina an'arivony, vokatry ny hay trano nitranga tany Mananjary, ny fitondram-panjakana foibe amin'ny alalan'ny BNGRC... • Hitaky ny fialan'ny Lehiben'ny Distrika ny mponina ao amin'ny Distrikan'Arivonimamo rahampitso. Hetsika hotanterahana ao Imerintsiatosika, hotarihin'ireo Solombavam-bahoaka mirahalahy... • Firenena 40 aty Afrika no handray anjara amin'ilay Fihaonamben'ny Tanora Afrikana Mifandray, hotanterahana eo Madagasikara amin'ny volana novambra ho avy izao. Nandray ny Tale mpanatanteraky ny Youth Connect Africa, avy any Rwanda androany ny Minisitra Maroson Abdulah Moustapha...

• Mavesatra ny vokatry ny firehetana tany Mananjary. Nisy ireo mpivady may kilan'ny afo ankoatra ireo traboina an'arivony, izay manao antso avo amin'ny hanampiana azy ireo... • Nisy ny fijoroana ho vavolombelona ataon'ireo olona niaritra ny tifitra sy ny fitsoahana tany anaty ala, tamin'ilay raharaha tsy mampitovy hevitra ny OMC sy ny fikambanana Mazoto... • 60 tapitrisa Ariary no anto-bolan'ny kandidà ho Loholona. Miverim-bola ireo kandidà mahazo 10 % amin'ny vaton'ny mpifidy...

Andriambahoaka afovoan'ny tany dia zanaky ny Mpanjaka Andriambahoaka, nanjaka tao Imam, nandova ny fanjakàna izy ary nanana ny lazany. Nomena ny anarana hoe afovoan'ny tany izy noho ny lazany tamin'ny haranitan-tsaina niaraka tamin'ireo vahoaka notantaniny ; rehefa namantatra ny toerana misy ny fanjakàny i Andriambahoaka-II dia naniraka vahoaka nozarainy antoko roa ka ny antsasany nianavaratra ary ny ampahany faharoa nianantsimo, nasainy hitondra ranomasina sy zava-maniry amin'ny tany izay lalovany avy ireo, niara-tonga teo an-tanàna ireo iraka ka izay no nahafahany namaritra fa ivon'i Madagasikara no nisy ny fanjakàna ary io no niavian'ilay anarana fanampiny hoe "afovoan'ny tany"...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...