♦ Niainga teto Antananarivo omaly ireo fanampiana vonjy rano vaky avy amin'ny fitondram-panjakàna ho an'ireo niharam-boina tamin'ilay haitrano tany Mananjary... ♦ Hanao hetsika fitakiana ny fialan'ny Lehiben'ny Distrikan'Arivonimamo ao Imerintsiatosika anio alarobia 17 septambra, ny vahoaka izay tarihin'ny solombavambahoaka Rajerison Antoine... ♦ Tanora manodidina ny 25.000 isa no handray anjara amin'ny fihaonamben'ny tanora Afrikana mifandray izay atao ny 26 hatramin'ny 30 novambra 2025 ho avy izao, efa vonona amin'ny fandraisana izany isika eto Madagasikara...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 3 aogositra 2026

• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...