• Tsy niandry ela fa nandefa fanampiana hamonjena ireo traboina an'arivony, vokatry ny hay trano nitranga tany Mananjary, ny fitondram-panjakana foibe amin'ny alalan'ny BNGRC... • Hitaky ny fialan'ny Lehiben'ny Distrika ny mponina ao amin'ny Distrikan'Arivonimamo rahampitso. Hetsika hotanterahana ao Imerintsiatosika, hotarihin'ireo Solombavam-bahoaka mirahalahy... • Firenena 40 aty Afrika no handray anjara amin'ilay Fihaonamben'ny Tanora Afrikana Mifandray, hotanterahana eo Madagasikara amin'ny volana novambra ho avy izao. Nandray ny Tale mpanatanteraky ny Youth Connect Africa, avy any Rwanda androany ny Minisitra Maroson Abdulah Moustapha...

[Miara-dàlana] Zoma 16 ôktôbra 2026

• Namoaka fehin-kevitra momba ny toromarika hiatrehana ireo fanadinam-panjakana, ireo talen-tsekoly katolika eto Madagasikara, nandritra ny fihaonambe tsy ara-potoana natao tao amin'ny Diosezin'Ambositra... • Tontosa ny 13 sy ny 14 ôktôbra 2026 ny fivoriana fanao isan-taona nataon'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Fampanjariana ny Fahamarinana sy ny Fiadanana... • Hotanterahana rahampitso any Turin ny Sorona Masina fanirahana ireo Misionera Salezianina Don Bosco...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...