♦ Manatanteraka fitsidihina eto Madagasikara, ny 4 hatramin'ny 9 septambra 2024, i P. Alfred Maravilla, Mpanolotsaina Jeneraly momba ny Misiona, ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco... ♦ Manentana ny kristianina hivavaka ho an'ny olona tsirairay, mba hihaino ny fitarainan'ny tany, ny Papa François amin'ity volana septambra ity... ♦ Nanomboka androany ny dingana faharoa amin'ny fitsidihina apôstôlika ivelan'i Roma, andiany faha-45, ataon'ny Papa François, izay tanterahany any Asie sy Océanie...
Mbola nametrahan’ny mpifidy ny fitokisany indray hitantana ny tranoben’ny tantsaha mpampokatra nasionaly mandritra ny dimy taona manaraka ny filoha ankehitriny, RAZAFIMBOLOLONA Angeline. Natao ny 30 Aogositra 2024 teny amin’ny CFFAMA Nanisana ny fifidianana mandrafitra ny birao nasionaly eo anivon’ny tranoben’ny tantsaha...
♦ Toerana hitazonana fitondrana, kanefa toerana nahafahana nanongana mpitondra, ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ka tsy mahagaga raha hifandroritan'ny mpanao pôlitika... ♦ Efa manomboka mihena ireo olona mikarakara taratasim-panjakana eny amin'ny Boriborintany ao Antananarivo Renivohitra, tamin'ity herinandro ity... ♦ Tsy handefitra amin'ireo olona mibodo ny tanin'ny SEIMAD eny Betsizaraina Ambohimangakely, ny fitondram-panjakana...
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 4, 1-7. 11-13)
Ry kristianina havana, mangataka aminareo aho,
dia izaho izay an-tranomaizina noho ny amin’ny Tompo,
mba hanao fitondran-tena mendrika ny fiantsoana niantsoana anareo ianareo,
amin’ny fanetren-tena sy halemem-panahy rehetra,
amin’ny fahari-po, amin’ny fifandeferana, amim-pitiavana;
mikeleza aina hitana ny firaisam-po amam-panahy akamban’ny fihavanana;
fa tsy misy afa-tsy tena iray, sy Fanahy iray,
araka ny niantsoana anareo ho amin’ny fanantenana iray;
tsy misy afa-tsy Tompo iray, finoana iray, Batemy iray,
ary Andriamanitra iray izay Rain’izy rehetra,
ambonin’izy rehetra, manerana azy rehetra, ary ao anatin’izy rehetra.
Samy manana ny ambaratongany anefa
ny fahasoavana nomen’i Kristy antsika tsirairay avy.
Dia Izy no nanome ny sasany ho Apôstôly,
ny sasany ho mpaminany, ny sasany ho Evanjelista,
ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra,
mba samy hanana ny fandraharahany avy,
amin’ny fandavorariana ny olona masina,
dia amin’ny fandrafetana ny Tenan’i Kristy,
mandra-pahatongantsika rehetra ho amin’ny firaisam-pinoana
amam-pahalalana lavorary ny Zanak’Andriamanitra,
sy ho lehilahy lehibe tonga ohatra,
mahatratra ny halehibeazana amam-pahafenoan’i Kristy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 18, 2-3. 4-5
Ny lazan’ny Tompo ambaran’ny lanitra.
Ny asany kosa torìn’ny habakabaka.
Ny andro milaza amin’ny andro manaraka;
ny alina indray mitantara amin’ny alina.
Tsy teny lazainy, tsy volana ambarany,
tsy feo mba manako horenesin’ny sofina:
kanefa dia tsinjo eran-tany ny baikony;
miely tsy tana ny hafatra entiny.
Aleloia. Aieloia.
Midera Anao izahay, ry Andriamanitra, ary manaiky fa Ianao no Tompo. Ny antokon’ny Apôstôly be voninahitra dia midera Anao, Tompo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 9-13)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa dia nahita lehilahy anankiray atao hoe i Matio,
nipetraka teo am-pamorian-ketra, ka hoy Izy taminy:
“Andeha hanaraka Ahy ianao.”
Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy.
Ary raha nisakafo tao an-tranon’i Matio i Jesoa,
dia nisy poblikanina sy mpanota betsaka
tonga niara-nihinana tamin’Izy sy ny mpianany.
Ka nony nahita izany ny Farisianina,
dia nilaza tamin’ny mpianany hoe:
“Nahoana itý Mpampianatrareo
no miara-mihinana amin’ny poblikanina sy ny mpanota?”
Fa hoy i Jesoa nandre izany:
“Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary.
Mandehana àry ianareo,
ka fantaro ny hevitr’izao teny izao:‘Ny famindram-po no sitrako, fa tsy ny sorona’;
fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco