Tamin’izany andro izany : fanaon’ny mpianatr’i Joany sy ny Farisianina ny mifady hanina, ka nisy nanatona nanao taminy hoe : "Nahoana ny mpianatr’i Joany sy ny an’ny Farisianina no mifady hanina, nefa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady ?" Ary hoy i Jesoa taminy : "Moa mahazo mifady ny naman’ny mpampakatra raha mbola eo aminy ny mpampakatra ? Raha mbola ao aminy koa ny mpampakatra, dia tsy mahazo mifady izy ; fa ho avy ny andro izay hanesorana ny mpampakatra hiala ao aminy, ka amin’izany andro izany vao hifady izy. Tsy misy olona manampina akanjo tonta amin’ny tapa-damba vaovao ; fa raha izany dia handrovitra ny tonta ny vaovao ka hitatra ny rovitra. Ary tsy misy olona manisy divay vaovao amin’ny siny hoditra tonta ; fa raha izany dia ho rovitry ny divay ny siny hoditra, ka ho very foana ny divay mbamin’ny siny hoditra ; fa raha divay vaovao dia aoka ho ao anaty siny hoditra vaovao koa".

Tamin’izany andro izany, teo i Joany sy ny mpianany roa lahy, ka hoy izy nahatazana an’i Jesoa nandalo : “Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra”. Nandre izany ireo mpianany roa lahy ireo, dia nanaraka an’i Jesoa. Ary nitodika i Jesoa ka nahita azy ireo nanaraka Azy, dia nanao taminy hoe : “Inona no tadiavinareo ?” Ary hoy izy ireo taminy : “Raby, (izany hoe, ry Mpampianatra, raha adika) aiza Ianao no mitoetra ?” Dia hoy Izy taminy : “Avia fa ho hitanareo”. Dia nandeha izy ireo ka nahita izay nitoerany, sy nitoetra teo aminy tamin’iny andro iny ; ary tokony ho tamin’ny ora fahafolo tamin’izay. I Andre rahalahin’i Simôna Piera no anankiray tamin’izy roa lahy izay nandre ny tenin’i Joany ka nanaraka an’i Jesoa. Ary ny olona voalohany nifanena taminy kosa dia i Simôna rahalahiny ka nilazany hoe : “Efa hitanay ny Mesia” (izany hoe i Kristy, raha adika). Dia nentiny nankany amin’i Jesoa izy, ka nony nijery azy i Jesoa i dia nanao hoe : “Ianao no i Simôna zanak’i Joany ; hatao hoe i Sefasy ianao”, izany hoe, Piera (vato).

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nivoaka ho any an-dranomasina, ka nanatona Azy ny vahoaka rehetra, dia nampianatra azy Izy. Raha nandalo Izy, dia nahita an’i Levi zanak’i Alfe nipetraka tao amin’ny fandraisana hetra, ka nanao taminy hoe : "Andeha hanaraka Ahy". Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy. Ary raha nipetraka nihinana tao an-tranon-dralehilahy io i Jesoa, dia nisy poblikanina sy mpanota maro niara-nihinana tamin’Izy sy ny mpianany ; fa maro ireo, ary nanaraka Azy. Nony nahita Azy niara-nihinana tamin’ny poblikanina sy ny mpanota ny mpanora-dalàna mbamin’ny Farisianina dia nilaza tamin’ny mpianany hoe : "Nahoana ny Mpampianatrareo no miara-mihinana sy misotro amin’ny poblikanina sy ny mpanota?" Raha nahare izany i Jesoa, dia nanao taminy hoe : "Tsy ny finaritra no mila dokotera, fa ny marary ; tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota".

Tamin’izany andro izany, i Jesoa dia niditra indray tao Kafarnaôma. Nony re fa hoe tao an-trano Izy, dia nivory betsaka dia betsaka ny olona, ka tsy nisy hitoerana intsony na dia hatrany anoloan’ny varavarana aza ; dia nitory teny taminy Izy. Tamin’izay dia nisy nanatona Azy nitondra lehilahy malemy anankiray, izay nolanjain’olona efa-dahy. Tsy afa-nanatona Azy anefa izy ireo noho ny habetsahan’ny vahoaka, ka dia ny tafon-trano nitoerany no nanesorany; nony voasokatra, dia nampidininy teo ny fandriana nandrian’ilay malemy. Ary i Jesoa nony nahita ny finoan’ireo, dia nanao tamin’ilay malemy hoe : "Anaka, voavela ny helokao". Fa nisy mpanora-dalàna sasany nipetraka teo, ka nanao anakampo hoe : "Ahoana no itenenan’ilay itý toy izany ? Miteny ratsy an’Andriamanitra lahy Izy. Iza no mahavela fahotana afa-tsy Andriamanitra irery ihany?" Fantatr’i Jesoa tao amin’ny fanahiny niaraka tamin’izay fa nieritreritra izany tao anatiny izy ireo ka hoy Izy taminy : "Nahoana ianareo no mihevitra toy izany ao am-ponareo ? Inona no moramora kokoa, ny manao amin’itý malemy itý hoe : Voavela ny helokao, sa ny manao hoe : Mitsangàna, batao ny fandrianao, ary mandehana? Ary mba ho fantatrareo fa ny Zanak’Olona manam-pahefana etý an-tany hanafaka ny fahotana, dia izao no lazaiko aminao, (hoy Izy tamin’ilay malemy) : Mitsangàna, batao ny fandrianao, ary modia any an-tranonao". Dia nitsangana niaraka tamin’izay izy ka nibata ny fandriany, ary lasa nody teo imason’ny olona rehetra; hany ka talanjona izy rehetra sady nankalaza an’Andriamanitra nanao hoe : "Tsy mbola nahita tahaka izany izahay".

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...