21 aogositra — Ny Victoire resahina dia i Victoire Rasoamanarivo, teraka ny taona 1848 tao amin’ny fari-bohitr’Andohalo Antananarivo i Victoire. Rambahinoro no reniny ary Randriantsilavo, manam-boninahitra efatra ambin’ny folo voninahitra ny rainy. Zafy kelin’i Rainiharo piraiminitra sy ny mpanjakavavy Ranavalona I izy.

Ny 01 novambra 1863 no nataon’i Mompera Weber batemy tao amin’ny fiangonana Maria tsy azon-keloka i Victoire. Niaraka tamin’ireo olon-dehibe enina amby roapolo hafa ary ny dimy tamin’ireo moa dia havany avokoa. Ny 17 Janoary 1864 no nandray ny komonio voalohany, nanetriketrika ny fankalazana, notronin’ireo olo-manan-kaja tao an-drova sy ireo vahoaka maro be. Ny 13 mey 1864 i Victoire no nampakarin’i Radriaka ho vadiny. Radriaka dia zanaka lahimatoa natsangan-dRainilaiarivony piraiministra. Efa-bolana tao aorian’ny nanamasinana ny fanambadian’izy ireo dia nandray ny Sakramentan’ny Fankaherezana i Victoire. Izany hoe ny 11 septambra 1864. Nodimandry ny harivan’ny 24 aogositra 1894 izy rehefa navita ny iraka nanirahan’Andriamanitra azy ho an’ny Fiangonana teto Madagasikara. Ny 25 aogositra 1894 no nandevenana azy tao amin’ny fasan-dRainiharo ary ny 30 aprily 1989 no nasandratry ny papa Joany Paoly II ho olotsambatra.

Na dia efa tonga talohan’ny natongavan’ny misionera katôlika aza ny protestanta dia toa tsy nampiraika an-dRasoamanarivo izany. Efa fito taona izy no tonga teto ny fivavahana katôlika ary teo amin’ny fahadimy ambin’ny folo taonany izy no natao batemy. Niaina am-pitiavana izany finoana nekeny izany izy ary ohatra ho an’ireo tovovavy niara-nianatra taminy ny toe-panahiny feno fitiavam-bavaka sy fitiava-namana. Roapolo taona tao aorian’ny nandraisany ny batemy no voaroaka ireo misionera, dia izy no nanankinan’ireo pretra ny fikolokoloana sy ny famelomana ny Fiangonana niorina teto Antananarivo ary nanampy azy tamin’izany i Cher Frère Raphaël-Louis Rafringa.

Anisan’ireo mpianatra voalohany tao amin’ny masera Saint Joseph de Cluny i Rasoamanarivo. Izy moa no filoha voalohany nitantana ny Zanak’i Masina Maria. Nampiavaka azy ny fanampiany ireo sahirana ara-pivelomana, ny famangiana sy ny fanomezana sakafo ireo gadra, ary indrindra ny fiaretany ny fanenjehana azy teo amin’ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina. Nampirisika azy hivadika amin’ny finoana katôlika manko ireo havany fa tsy nanaiky izy satria efa nanome toky fa tsy hivadika na oviana na oviana amin’ny batemy noraisiny. Norahonana izy, nanaovan-dRadriaka vadiny toetra mamohehitra, fa tsy nahakivy azy izany fa nivavaka sy ny fanamafisana ny finoana amin’ny famakiana ny tenin’Andriamanitra sy ny fiainana ny sakramenta no hery nentiny nanohitra an’izany. Notorahambato izy raha hamonjy ny Sorona Masina. Nofofoina ny ainy, fa tsy nahavoa azy izany satria natoky ny fitsimbinan’Andriamanitra izy. Noho ny toetrany sy ny hatsram-panahiny dia nibebaka i Radriaka vadiny tamin’ny ora farany ka i Victoire Rasoamanarivo no nanao batemy azy.

[Miara-dàlana] Zoma 20 desambra 2024

  • Hosokafana ny alahady 29 desambra 2024 ny Varavarana Masina ao amin'ny Katedraly Masina Maria tsy azon-keloka, ho fanamarihana ny fanokafana ny fankalazana ny Taon-jobily eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Nanomboka andiany vaovao amin'ny katesizy, mitondra ny lohateny hoe: “I Jesoa Kristy, fanantenantsika”, ny Papa François ny alarobia 18 desambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...