13 jolay — I Henri dia teraka tamin’ny taona 973 tao Abbach tamin’ny fotoana nahalasanan’i dadatoany Othon le Grand mpanorina Saint-Empire Romain Germanique. Lahy matoa amin’ny zaza efatra naterak’i Henri le Querelleur, duc de Bavière sy i Gisèle de Bourgogne vehivavy hendry sy tia vavaka.

12 jolay — I Jean Gualbert dia miaramila avy any Toscane nibebaka ho kristianina izy teo ampahitana ilay olona namono ny rahalahiny nandoalika teo an-tongony sy nitalaho ny ny famindram-pony ary nanankina ny fanahiny tamin’Andriamanitra. Teraka ny 995 izy.

12 jolay — I Masindahy Olivier Plunkett dia Irlandais izy io, teraka ny taona 1629. Nahazo fanabeazana tsara tao amin’ny trano fitokana-monina tao Sainte Marie Dublin izy ary nisy fianakaviany ihany koa lehibe tao amin’izany trano fitokana-monina izany.

♦ Fivoriana sy laretirety no hanamarihana ny volan'ny pretra ho an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana... ♦ Nihaona nandritra ny efatra andro ny Misiona Fianakaviana Masina sy ny Misiona Masimbavy Terezin'i Jesoa Zazakely ao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Nanentana ny rehetra hivavaka ho an'i Sri-Lanka, izay miaina ao anatin'ny olana ara-toekarena sy pôlitika, ny Papa François ny alahady 10 jolay 2022...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...