26 aogositra — I Zefferino Namuncura dia teraka tamin’ny 26 aogositra 1896 tao Chimpai. Zanak’i Manuel Namuncura izy, fanta-daza tamin’ny tamin’ny fokon’ireo Mapuche izany rainy izany, any amin’ny faritr’i Río Colorado.
25 aogositra — Teraka ny taona 1215 i Louis, natao batemy tao Poissy izy ary tsy maty tao am-pony izany finoana izany ka nahatonga azy hitonona hoe Louis de Poissy rehefa manao sonia na dia amin’ny fiainany andavanandro aza.
24 aogositra — Niaina niaraka tamin’i Jesoa i Barthélemy izay resahana amin’ity andro androany ity, na antsoina koa hoe Nathanaël. Ny Mpamonjy no niantso azy hanara-dia azy.
23 aogositra — Tera-tany espagnol i Rose, teraka ny taona 1586 tao Lima. Isabel Flores de Oliva no anarany, meva toy ny raozy izy ka izany no anaram-bositra nomen’ilay mpitaiza azy azy.
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco