31 ôktôbra — Romanina i Quentin ary niaina tamin'ny taonjato fahatelo. Toa an'i Masindahy Crépin sy Crépinien dia nitory ny Vaovao Mahafaly tany Gaule i Quentin. Nampita ny raki-tsarobidin'ny finoana izay noraisiny izy tamin'izany fotoana izany. Tao Amiens no tena ivon'ny fitoriana nataony.

30 ôktôbra — Bienvenue Bojani no anaran'ity olontsambatra ity. Teraka ny taona 1255 tao Savogna di Cividale, Frioul tao Italie i Bienvenue. Mbola kely izy dia efa nanana fitiavana sy fanajana manokana an'i Masina Maria Virjiny.

29 ôktôbra — Teraka ny 09 jona 1837 i Michel Rua. Zaza farany amin'ny sivy mianadahy nateraky ny ray aman-dreniny izy. Tamin'ny taona 1852 izy no niditra tao amin'ny Oratorio tao Valdocco. Indray andro dia niteny taminy i Don Bosco fa mifameno izy ireo. Izy no anisan'ireo nilazan'i Don Bosco voalohany ny hananganana ny fikambanana salezianina.

♦ Hifantoka amin'ny akon'ny Visite Ad Limina, izay notanterahan'ny Evekan'i Madagasikara any Rôma, ny vaovao... ♦ Singa iray ilaina amin'ny fandanjalanjana, ny fangetanana, hoy ny Papa François, tamin'ny katesizy andiany fahafito, momba ny fandanjalanjana tamin'ny alarobia lasa teo... ♦ Mahatratra 5363 ny isan'ny Eveka maneran-tany, araka ny fanisana nataon'ny Agence Fides, tamin'ny fankalazana ny Andro Maneran-tany ho an'ny Fampielezam-pinoana, ny 23 ôktôbra 2022...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...