Vakiteny voalohany

Bokin’i Malakia Mpaminany (Ml. 1, 14b — 2, 2b. 8-10)

Ianareo kosa nivily lalana ary nanafintohina olona maro tamin’ny lalàna.

Mpanjaka lehibe Aho,
hoy ny Tompon’ny tafika;
ary mahatahotra ny Anarako,
any amin’ny firenena.
Koa ankehitriny, ry mpisorona,
didy mihatra aminareo izao:
Raha tsy henoinareo sy tsy rototra ianareo
ny hanome voninahitra ny Anarako,
hoy ny Tompon’ny tafika,
dia handefa ozona hamely anareo Aho.
Fa ianareo kosa nivily lalana,
nanafintohina olona maro tamin’ny lalàna,
ary namadika ny fanekena tamin’i Levi,
hoy ny Tompon’ny tafika.
Koa Izaho kosa,
dia efa nahatonga anareo ho faniratsira sy tsinontsinona
eo imason’ny vahoaka rehetra,
satria tsy nitandrina ny lalako ianareo,
sady mizaha tavan’olona amin’ny fampiharana ny lalàna.
Tsy iray ray va isika rehetra?
Tsy Andriamanitra iray va no nahary antsika?
Ka nahoana àry ity isika,
no samy mivadika amin’ny iray ra amintsika avy,
ka mandoto ny fanekena amin’ny razantsika?

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 130, 1. 23

Tompo ô, tahirizo ao amin’ny fiadananao ny fanahiko.

Tompo ô, tsy mba miavona ny foko,
tsy miandranàndrana ny masoko:
izaho tsy manenjika zava-baventy
na zavatra ambony tsy sahaza ahy.

Ny fanahiko afa-po ka mamitsaka,
toy ny zaza voky eo am-pofoan-dreniny;
eny, toy ny zaza voky
ny fanahiko ato amiko.

Aoka i Israely hatoky ny Tompo
hatrizao ka ho mandrakizay!

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 2, 7b-9. 13)

Tsy ny Evanjelin’Andriamanitra ihany no nirinay homena anareo, fa ny ainay koa.

Ry kristianina havana,
naleonay nanetry tena teo aminareo,
mova tsy ny reny mitaiza ny zanany.
Fa noho ny fitiavanay anareo,
dia tsy ny Evanjelin’Andriamanitra ihany no nirinay homena anareo,
fa ny ainay koa aza,
satria efa tonga maminay loatra ianareo.
He tsaroanareo, ry kristianina havana,
ny fikelezana aina amam-pisasaranay,
fa sady niasa andro aman’alina izahay
no nitory ny Evanjelin’Andriamanitra tany aminareo,
mba tsy hahavaky tratra olona
na dia iray taminareo aza.
Noho izany,
dia tsy tapaka misaotra an’Andriamanitra koa izahay,
satria tamin’ny nandraisanareo ny tenin’Andriamanitra notorinay,
dia tsy noraisinareo ho tenin’olombelona izany,
fa noraisinareo, araka ny marina tokoa,
ho tenin’Andriananitra, izay miasa ao anatinareo efa mino.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sokafy ny fonay, ry Tompo, mba hitandremanay ny Tenin’ny Zanakao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 23, 1-12)

Milaza fotsiny izy fa tsy manao.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka sy ny mpianany nanao hoe:

“Efa mipetraka eo amin’ny toeran’i Môizy
ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina;
ka ataovy sy araho izay rehetra lazainy aminareo,
fa aza maka tahaka ny ataony,
satria milaza fotsiny izy fa tsy manao.
Fehezin’izy ireo ny zava-mavesatra sarotra entina,
dia atainginy eo antsoroky ny olona,
nefa izy tsy mety hanetsika izany
na dia amin’ny rantsan-tanany akory aza.
Ny mba ho hitan’ny olona ihany no anaovany ny asany rehetra,
ka dia filakitera lehibebe kokoa
sy somotraviavin-damba lavalava kokoa
noho ny an’ny olona no entiny.
Ny tiany dia ny voalohan-toerana amin’ny fanasana,
ny fitoerana voalohany amin’ny sinagôga,
ny arahabaina eo an-kianja
ary ny antsoin’ny olona hoe Raby.
Fa ianareo kosa,
aza mba mety hantsoina hoe Raby,
fa iray ihany no Mpampianatra anareo,
ary mpiray tam-po avokoa ianareo rehetra.
Ary aza miantso olona eto an-tany ho rainareo;
fa iray ihany no Rainareo,
dia Izay any an-danitra.
Aza mety atao hoe Mpampianatra;
fa iray ihany ny Mpampianatra anareo,
dia i Kristy.
Izay lehibe indrindra aminareo dia ho mpanomponareo;
fa izay hanandra-tena dia haetry
ary izay hanetry tena dia hasandratra”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...