Bokin’i Ezekiela Mpaminany (Ezek. 18, 21-28)
Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra:
“Ny ratsy fanahy kosa raha miala amin’ny fahotana rehetra nataony
ka mitandrina ny didiko rehetra sy manaraka ny hitsiny sy ny rariny,
ho velona izy, fa tsy ho faty.
Tsy hotsarovana intsony ny fahadisoana rehetra nataony;
ho velona izy noho ny fanarahany ny marina.
Moa ny hahafatesan’ny ratsy fanahy ve no sitrako,
— teny marin’ny Tompo Andriamanitra —,
fa tsy ny hialany amin’ny helony rehetra ka ho velona izy?
Ary raha miala amin’ny fahamarinana kosa ny marina ka manao ny tsy marina,
araka ny fahavetavetana rehetra ataon’ny ratsy fanahy,
— moa hanao izany izy va ka ho velona? —
Tsy hotsarovana intsony ny asa fahamarinana rehetra narahiny;
noho ny fahadisoana nahameloka azy sy ny fahotana nataony;
noho izany, dia ho faty izy.Ianareo manao hoe:
‘Tsy marina ny lalan’ny Tompo!’
Mihainoa àry, ry taranak’i Israely:
Moa ny lalako va no tsy mahitsy?
Moa tsy ny lalanareo va no tsy mahitsy?
Raha miala amin’ny fahamarinany ny marina ka manao ny tsy marina ary maty amin’izany,
dia noho ny tsy marina nataony no ahafatesany.
Fa raha miala amin’ny haratsiana nataony kosa ny ratsy fanahy,
ka manaraka ny hitsiny sy ny rariny amin’ny ataony dia hamelona ny fanahiny izy.
Raha sokafany ny masony, ka miala amin’ny fahadisoana rehetra nataony izy,
dia ho velona tokoa izy fa tsy ho faty.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 129, 1-2. 3-4ab. 4d-6. 7-8)
Avy ato anaty hantsana aho, ry Tompo, no miantso;
Tompo ô, henoy re izany feoko.
Ho tandrin-tsofinao anie ny antsoko miangavy.
He! fa mitoreo izato feoko.
Raha tsikilovinao irony heloka natao.
Zovy re, ry Tompo, no haharitra?
Saingy eo anilanao no hahitako famelana.
Toky ho ahy Ianao, ka dia toaviko.
Ny Tompo no antenain’ny fanahiko hatrany.
Vonona aho miandry izany teniny.
Manoatra ny mpiambina miandry ny maraina
no aoka hiandrasantsika an’Andriamanitra.
Fa tsara fo endre ka fanaperana Izy Tompo.
Avotra lehibe ka ianteherana.
Dia Izy no andrasan’i Israely hanavotra azy.
Afaka tanteraka ny helony.
Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!
Tsy ny hahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrako fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany ka ho velona izy.
Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 20-26)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Raha tsy lehibe noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina ny fahamarinanareo,
dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra akory ianareo.Efa renareo fa voalaza tamin’ny ntaolo hoe:
Aza mamono olona,
ary izay hamono olona dia hohelohina amin’ny fitsarana.Fa Izaho kosa milaza aminareo
fa izay rehetra mitezitra ny rahalahiny
dia hohelohina amin’ny fitsarana;
ary izay hanao aminy hoe Raka,
dia hohelohina amin’ny Sanedrina
ary izay hanao azy hoe Foka
dia hohelohina any amin’ny gehen’afo.
Koa raha manatitra ny fanatitrao eo amin’ny ôtely ianao,
ka eo vao mahatsiaro fa manana alahelo aminao ny rahalahinao,
dia avelao eo amin’ny ôtely aloha ny fanatitrao,
ka mandehana mihavana amin’ny rahalahinao
vao miverina hanolotra ny fanatitrao indray.
Mihavàna faingana amin’izay manana ady aminao,
dieny samy mbola eo an-dalana ianareo,
fandrao atolotr’izay manana ady aminao amin’ny mpitsara ianao,
ary ny mpitsara kosa hanatitra anao amin’ny mpamatotra,
ka hatao an-tranomaizina ianao.
Lazaiko marina tokoa fa tsy ho afaka ao mihitsy ianao,
ambara-pandoanao ny variraiventy farany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Estera (Est. 14, 1. 3-5. 12-14)
Tamin’izany andro izany,
nahatsiaro tena ho efa eo am-bavalozan’ny fahafatesana ny mpanjakavavy Estera,
ka niantso vonjy tamin’ny Tompo,
ary nanao izao vavaka izao tamin’ny Tompo Andriamanitr’i Israely:
“Ry Tompo izay hany Mpanjakanay, vonjeo amin’izao fahaporitako izao aho,
izay tsy manam-bonjy afa-tsy Ianao,
fa ny loza manambana ahy ity, toa voatsapan’ny tanako sahady.
Efa reko fahazaza, tao amin’ny fokon’i Kaky, fa Ianao ry Tompo,
efa nifidy an’i Israely tamin’ny firenena rehetra,
sy nifidy ny razanay, tamin’ireo iray razana aminy rehetra, ho lovanao mandrakizay,
ary efa notanterahinao hanasoavana azy avokoa ny fampanantenanao rehetra.
Tsarovinao izahay, ry Tompo, ataovy manehoeho laza Ianao amin’izao andron’ny fahorianay izao,
ary omeo hery aho, ry Mpanjakan’ny andriamanitra sy Mpanjakan’ny fahefana rehetra!
Asio teny malina ao am-bavako eo anatrehan’ilay liona,
ary ovao ny fony hankahala ny fahavalonay, mba hahafaty azy,
dia izy mbamin’izay rehetra miray hevitra aminy.
Fa izahay kosa dia aoka ny tananao hanafaka anay,
ary ampio aho, amin’izao izaho irery izao
tsy manana an’iza na iza, afa-tsy Ianao, ry Tompo!
Ianao mahalala ny zavatra rehetra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 137, 1-2a. 2bd-3. 7-8)
Tompo ô, midera Anao amin’ny foko tontolo aho:
satria Ianao mihaino ny tenin’ny vavako!
Miantsa Anao eo anatrehan’ireo andriamanitra aho,
miankohoka mitodika ny Tempolinao Masina.
Sy misaotra ny Anaranao;
noho ny hatsaram-po sy fahamarinanao.
Ny andro iantsoako, mamaly Ianao,
sy mampitombo hery ny fanahiko!
Ny tananao mitsotra sy mamonjy!
Ny Tompo no mpamaly izay ratsy atao ahy.
Tompo ô, mandrakizay ny hatsaram-ponao:
aza atsahatra ny efa ataon’ny tenanao!
Voninahitra sy dera anie ho anao, ry Kristy!
Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho; satria hatsaram-po no ao amin’ny Tompo, ary fanavotana lehibe.
Voninahitra sy dera anie ho anao, ry Kristy!
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 7, 7-12)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe
“Mangataha, dia homena ianareo;
mitadiava, dia hahita;
dony, dia hovohana;
fa izay rehetra mangataka no mahazo;
izay mitady no mahita,
ary izay mandondòna no hovohana.
Ary iza aminareo no hanome vato ny zanany, raha mofo no angatahiny;
na hanome bibilava azy raha hazandrano no angatahiny?
Koa raha ianareo na dia ratsy aza
mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo,
tsy mainka va fa ny Rainareo izay any an-danitra
no hanome zava-tsoa an’izay mangataka aminy?
Koa amin’izany, izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo,
dia mba ataovy amin’ny olona koa toraka izany,
fa izany no Lalàna sy Mpaminany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Jônasa Mpaminany (Jônasa 3, 1-10)
Tonga fanindroany tamin’i Jônasa ny tenin’ny Tompo, nanao hoe:
“Mitsangàna ianao, mandehana mankany Niniva, tanàna lehibe,
hitory aminy ny toriteny holazaiko aminao.”
Dia nitsangana i Jônasa, ka nankany Niniva, araka ny tenin’ny Tompo.
Ary i Niniva dia tanàna lehibe teo anatrehan’Andriamanitra, fa lalan-kateloana.
Nanomboka niditra tao anatin’ny tanàna, lalana indray andro aloha i Jônasa,
ka nitory izy nanao hoe:
“Rahefa afaka efapolo andro dia horavana i Niniva.”
Nino an’Andriamanitra ny olona tao Niniva,
ka niantso fifadian-kanina sy nitafy lasàka avokoa,
hatramin’ny lehibe indrindra ka hatramin’ny kely indrindra.
Dia nampandrenesina izany ny mpanjaka,
ka niala teo amin’ny seza fiandrianany, nanesotra ny kapaotiny,
nirakotra lasàka, ary nipetraka teo amin’ny lavenona.
Ary nantsoina tao Niniva sy nolazaina araka ny didin’ny mpanjaka sy ny mpitondra izao teny izao:
“Aza misy manandrana zavatra akory na miraotra sy misotro rano,
na olona na biby, na omby aman’ondry;
aoka samy hirakotra lasàka ny olona sy ny biby,
ary aoka izy ireo hitaraina mafy amin’Andriamanitra,
samy hiala amin’ny lalan-dratsiny sy ny asa fahasiahana fanaon’ny tanany avy.
Ndrao mba avy ihany izay hanenenan’Andriamanitra sy hitonen’ny hatezerany mirehitra,
ka dia mba tsy haripaka isika.”
Nahita ny nataon’izy ireo, sy ny nialàny tamin’ny lalan-dratsiny Andriamanitra
ka nanenina tamin’ny loza voalazany hamelezana azy ireo,
ka dia tsy notanterahiny indray izany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 50, 3-4. 12-13. 18-19)
Iantrao aho, ry Tompo Andriamanitra,
fa Ianao manko lalim-pitiavana.
Mba koseho re ny heloka vitako,
dia diovy aho hiala amin’ny otako.
Fo madio vaovao no angatahiko,
sy fanahy mahatoky tanteraka.
Aza alàna aminao aho, ry Tompoko;
ny Fanahy aza esorinao amiko.
Lavinao tsotra izao ny fanatitra,
toy izany ireo Sorona dorana.
Ny fanahy torotoro, ry Tompoko,
io no sorona tianao hatolotro.
Tsy hodianao tsy hita Andriamanitro,
ny fanahy torotoro sy trotraka.
Dera sy haja ho anao, ry Jesoa Tompo.
Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.
Dera sy haja ho anao, ry Jesoa Tompo.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 29-32)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ireo vahoaka betsaka nitangorona teo aminy nanao hoe:
“Taranaka ratsy ity taranaka ity;
mitady famantarana izy, nefa tsy homena afa-tsy ny famantaran’i Jônasa mpaminany.
Fa tahaka ny naha-famantarana an’i Jônasa tamin’ny olona tany Niniva
no haha-famantarana ny Zanak’Olona koa amin’ity taranaka ity.
Hiara-mitsangana amin’ny olona amin’ity taranaka ity
ny mpanjakavavy avy any atsimo amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy,
satria niala avy tany amin’ny fara vazan-tany izy hihaino ny fahendren’i Salômôna,
nefa indro misy mihoatra noho i Salômôna eto.
Hiara-mitsangana amin’ity taranaka ity
ny olona tany Niniva amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy,
satria nibebaka tamin’ny toritenin’i Jônasa izy ireny,
nefa indro misy mihoatra noho i Jônasa eto.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 55, 10-11)
Izao no lazain’ny Tompo:
“Tahaka ny ranonorana aman’oram-panala milatsaka avy any an-danitra
ka tsy miverina any raha tsy efa mahavonto sy mahalonaka ny tany,
sy mampaniry ny zavatra mitsiry avy aminy,
ka mampahazo voa famafy ny mpamafy, ary hanina ho an’ny mpihinana;
toy izany ny teniko izay aloaky ny vavako:
tsy miverina amiko foana izy, fa mahatanteraka izay tiako,
sy mahatontosa izay namoahako azy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 33, 4-5. 6-7. 16-17. 18-19)
Mankalazà ny Tompo miaraka amiko;
miaraha isika midera ny Anarany!
izaho nihanta tamin’ny Tompo ka nekeny;
ny tahotro rehetra nalàny tamiko.
Mibanjìna Azy fa ho mirana
ny tavanareo tsy hangaihay.
Ity ory: velona antso ka novalian’ny Tompo,
ny ahiahiny rehetra namonjeny azy.
Ny mason’ny Tompo amin’ny olo-marina,
ny sofiny amin’ny tolokon’ireo.
Ny tavan’ny Tompo amin’ny mpanao ratsy,
mba hahavery tadidy azy eto an-tany.
Ny olo-marina vao miantso dia henon’ny Tompo,
ny ahiahiny rehetra esoriny aminy.
Ny Tompo eo anilan’ny torotoro fo,
sy mamonjy ny rera-tsaina.
Voninahitra sy dera anie ho anao, ry Kristy!
Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra..
Voninahitra sy dera anie ho anao, ry Kristy!
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 7-15)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Raha mivavaka ianareo dia aza mba maro teny tahaka ny jentily,
fa ataony ho ny hamaroan’ny teniny no hihainoana azy.
Koa aza manahaka azy ianareo, fa na mbola tsy mangataka aminy aza ianareo,
fantatry ny Rainareo izay ilainareo.Koa mivavaha toy izao ianareo:
Rainay any an-danitra,
hohamasinina anie ny Anaranao,
ho tonga anie ny fanjakanao,
ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.
Omeo anay anio ny hanina sahaza ho anay;
avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay
ary aza avelanao ho resin’ny fitaoman-dratsy izahay,
fa manafaha anay amin’ny ratsy. Amen.Fa raha mamela ny hadisoan’ny olona ianareo,
dia havelan’ny Rainareo any an-danitra koa;
fa raha tsy mamela ny hadisoan’ny olona kosa ianareo,
dia tsy havelan’ny Rainareo koa ny hadisoanareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco