Ao anatin'ny Gaudium et Spes n°4 dia mandinika ny toe-javatra iainan'ny olombelona amin'ny tontolo ankehitriny, izay voamariky ny fandrosoana lehibe nefa koa anaty fikorontanana sy tebiteby lalina, ny Eglizy. I Kristy no fanantenana marina afaka mandresy ny tebiteby lalina indrindra ao am-pon'ny olona. Ao Aminy no ahitàn'ny olombelona ny valin'ny fanontaniana fototra momba ny ho avy... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.
♦ Nihazo an’i Guinée Equatorial, androany, ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, hidinika amin’ireo mpitondra Afrikana ny momba ny sazy apetraka amin’i Madagasikara, eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena… ♦ Arovan’ny fitondrana Fanavaozana ireo miady amin’ny kolikoly, ireo mpitondra ambony, hoy ny Praiministra ; ambarany fa tena henjehina amin’izany ireo vaventy manomboka izao… ♦ Ministera maromaro sahady no nahavita famindram-pahefana, teo amin’ny ministra vaovao sy ny teo aloha, androany, taorian’ny fanendrena omaly… ♦ Namoy ny ainy ny lehiben’ny tafika an-dranomasina Iraniana, izay voalaza fa niantsy an’i Filoha Amerikana…
♦ Hanao vaindohan-draharaha amin'ny ady amin'ny kolikoly ny fitondrana hoy ny filohan'ny fanavaozana ny Repoblika. Tsy handeferana intsony ireo fambolena korontana sy fampisaraham-bazana ny samy Malagasy hoy ny Kôlônely Randrianirina Michaël... ♦ Niatrika fanadihadiana teo anivon'ny Inspection Générale de l'Etat teny Antaninarenina omaly ny ministry ny fanabeazam-pirenena teo aloha, Sahondranirina Marie Michelle... ♦ Malagasy avokoa ny ankamaroan'ireo miasa ao amin'ny Madagascar Oil amin'izao fotoana izao. Manome lanja ny fiarovana ny tontolo iainana ihany koa ny orinasa...
Misy teboka miisa telo tokony hananana raha te hanana ho avy tsara isika dia : ny fitiavana, ny fahamarinana ary ny fifampitokisana. Mba ho azo antoka ny atao hoe fanavaozana dia misy dingana telo farafaharatsiny tsy maintsy atao ho zava-dehibe dia : ny fanadiovana, ny fanarenana ary ny fanavaozana. Manoloana ny famahana ny olana misy eto amin'ny firenena dia tokony hatao laharam-pahamehana ny famaliana ny filàn'ny Malagasy fa tsy izay tsindry avy any ivelany na tombontsoa manokana ; hantenaintsika mba ho olom-boatendry filamatra sy manana fahamarinana no hanana andraikitra eto amin'ny firenena... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco