♦ Nankalazaina omaly ny fetin'i Masina Maria Vonjin'ny Kristiana. Ankizy mpianatry ny Ivon-toeram-piofanana arak'asa tantanan'ny Saleziana ety Ivato no nandray fahasoavana tamin'izany... ♦ Hiroso amin'ny fandaminana vaovao hanalefahana ny toham-boivoy ny tanàna an'Antananarivo. Kasaina hampiharina amin'ireo lalana miditra ny renivohitra ny antsoina hoe "Circulation alternée"... ♦ Voasazy higadra roa taona sazy mihatra ny Ben'ny Tanàna an'Antehiroka teo aloha, Lalaina Vatosoa, raha ny didim-pitsaràna navoakan'ny Pac. Nomelohina noho ny fivarotana tanin'olona niampy fanararaotam-pahefana izy...

• Niavaka ny fanamarihana fetin'i Masina Maria Vonjin'ny Kristianina, tao amin'ny Centre de Formation Professionnelle Marie Auxiliatrice Ivato, androany... • Marihina isany ny faha-23 mey ny andro maneran-tany ho an'ny sokatra. Naroso androany 22 mey ny hetsika fankalazana ho antsika teto Madagasikara, izay natao teny amin'ny valan-javaboaharin'i Tsimbazaza... • Samy tafakatra hiatrika ny fiadiana ny amboara eran-tany amin'ny taranja Basketball lalaovin'olona telo, ny ekipam-pirenena malagasy Ankoay lehilahy sy Ankoay vehivavy...

Tsy manao ambanin-javatra amin’ny fampiroboroboana ny lalam-pihariana tantely iantsorohan’ireo mpikambana ao aminy ny tambazotran’ny Sendikan’ny Orina Ambanivohitra na ny Réseau SOA. Nikarakara atrik’asa nandalinan’ireo mpikambana ao aminy ny lalam-pihariana fiompiana tantely ireo ny faha 4 sy ny faha 5n’ny volana may teo. Atrik’asa natao teto an-drenivohitra teny amin’ny FOFIKRI Ilafy Antananarivo Avaradrano...

• Aoka ho fiainantsika ny 4F, hoy ny hafatra Pantekoty, avy amin'ny FFKM... • Fanapahan-kevitra niarahana nidinika tamin'ny Prefektioran'ny Polisy sy ireo Lehiben'ny Distrika ary ireo olom-boafidy eny ifotony, ny firosoana amin'ny fanoloana ny Lehiben'ny Fokontany ao Antananarivo... • Efa tonga ao Toamasina ankehitriny, ny fantson-drano lehibe hahafahana mamatsy rano madio fisotro ny any amin'ny faritra Ambovombe-Androy...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...