♦ Miantso ny Governemanta, hidinika amin'ny rehetra momba ny fanatanterahana fifidianana, ny Vovonana Gasy Leo. Kajikajy pôlitika ny hampiarahana ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Solombavam-bahoaka, hoy izy ireo... ♦ Mitaky amin'ny CENI, ny tokony hamoahana ny datim-pifidianana, ny antoko Humaniste Ecologique. Ahiana, hoy ity antoko ity, fa sao miandry baiko avy amin'ny fitondrana ny CENI, vao hamoaka ireo tetiandro... ♦ Ahiana hisy fiforonana rivodoza indray ao amin'ny Ranomasimbe Indiana. Mety hisy rindrin-drahona handalo any amin'ny ilany atsimo atsinanan'ny nosy, manomboka rahampitso...
♦ Tsy zava-baovao teto amin'ny firenena ny fikarakarana fifidianana roa samy hafa, hoy ireo fikambanana sy firaisamonim-pirenena, mpanara-maso fifidianana eto Madagasikara... ♦ Olana iray mbola mitoetra eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina hatramin'izao, ny fanalana fako... ♦ Nisy indray lalana tapaka, vokatry ny rotsak'orana, any amin'ny Faritra Sava, eo amin'ny PK 405 amin'ny Lalam-pirenena faha-5A...
♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Eveka, an'i Mgr Luc Oliver Razfitsimialona, hitantana indray manomboka izao ny Diôsezin'i Tolagnaro... ♦ Nentin'ny Papa nandritra ny fampianarany tao aorian'ny vavaka Angelus, ny fanentanana ny rehetra mba hianatra hiaina an-kalalahana, afaka amin'ireo gadra vy izay mamatotra ny tsirairay...
♦ Vonona handray anjara amin'izay fifidianana manaraka eo ny antoko TIM, ary manentana ny mpanara-dia azy hijery sy hanamarina ny anarany ao anatin'ny lisi-pifidianana... ♦ Miisa 9 ireo olona namoy ny ainy, 5 tsy hita popoka ary maherin'ny 9400 ireo tra-boina noho ny fisian'ny rotsak'orana be loatra manerana ny nosy, nanomboka ny 16 janoary, hoy ny BNGRC... ♦ Hafainganina ny dingana rehetra amin'ny fampisitrahana ireo Malagasy am-pielezana, ny pasipaoro, hoy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny sy ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka...
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco