♦ Miandrandra ny fampiharana ny lalàna, ny ao amin'ny Sampana Anaraha-maso ny Fifidianana SAFIDY, manoloana ny hosoka hitan'izy ireo nandritra ny fifidianana solombavambahoaka farany teo. Ny SAFIDY izay manara-maso ny zotram-pifidianana teto Madagasikara... ♦ Miatrika ny fivorian'ireo mpitondra eran-tany noho ny faha-60 taonan'ny CNUCED any Suisse ny filoham-pirenena Andry Rajoelina mivady. Filoham-panjakàna maro aty Afrika no manatrika izany nanomboka androany... ♦ Hitombo 10 hatramin'ny 15% ny voka-bary eto Madagasikara amin'ity taona ity. Vinan'ny ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana ny tsy hanafarantsika vary intsony ao anatin'ny 5 taona...

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...