16 marsa 2024 — Sabotsy, Herinandro Fahefatra amin'ny Karemy — Indro ankehitriny ny fotoana tsara, indro ankehitriny ny androm-pamonjena — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 7, 40-53)
♦ Nankalaza ny Andro maneran-tany ho an'ny Zon'ny Mpanjifa isika teto Madagasikara androany. Lohahevitra tamin'izany ny hoe: Faharanitan-tsaina artifisialy sahaza sy tompon'andraikitra... ♦ Hampirisihana ny Malagasy hanao fizahan-tany anatiny, no anton'ilay tsenaben'ny fizahan-tany andiany faha-8, nanomboka androany eny amin'ny zaridaina Antaninarenina... ♦ Nandray ny delegasiôna avy amin'ny Sampandraharan'ny Firenena Mikambana misahana ny fanohanana ny tetikasa, na ny UNOPS, sy ny Banky Iraisam-pirenena, ny Filoha Andry Rajoelina androany...
♦ Nifantoka tamin'ny fikatsahana ny hafaliana amin'ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly ny Sinaodin'ny Diôsezin'i Farafangana, notanterahina ny 11 hatarmin'ny 15 marsa 2024... ♦ Mila mizotra mankany amin'ny lalan'ny hatsaram-panahy sy ny fitondran-tena marina isika, hoy ny Papa François, tamin'ny katesizy ny alarobia 13 marsa 2024... ♦ Nanamarika ny faha-11 taona naha teo amin'ny Fiketrahana masina ny Papa François ny antso amin'ny fampitsaharana ny ady sy ny fifampidinihana ho amin'ny fandriampahalemana...
Mitohy ao amin'ny Kaominina Ambohitsilaozana, Ambohidava ary Imerimandroso any amin'ny Faritra Alaotra-Mangoro ny fandrakofana ala ny tetezan'ala Ankeniheny Zahamena ataon'ny Foibe FAFIALA. Tetik'asa dingana faharoa nankinin'ny Conservation Internationale amin'izy ireo...
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco