• Aza ariana ny mpanao gazety fa vavahady fakam-baovao itokisan'ny vahoaka, hoy ny Dr Manitra Rakotoarivony, manoloana ny vaovao mifamahofaho momba ny fahapozinana ara-tsakafo... • Nanome ny toky ireo solontenan'ny mpiasan'ny Jirama, izay nihaona taminy, ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina, fa mijanona ho orinasam-panjakana 100 % ny Jirama... • Tsy afaka hitazana fotsiny manoloana izao fahoriana manjo ny firenena sy ny vahoaka Malagasy izao ny Mpitandrina Avotra ho an'ny Firenena na ny MAFI. Hanatanteraka hetsika tsy misy politika eny Analamahitsy izy ireo anio...
Ny faneken'ny Papa no maneho fa ankatoavin'ny Fiangonana ny fijoroan'ny Fikambanan-drelijiozy iray. Adidin'ny Fiangonana ary isan'ireny relijiozy ny miandry ny vahoakan'Andriamanitra sy mitondra azy eny amin'ny fiainana tsara. Adidiny ihany koa ny mametraka lalàna sy mitantana amim-pahendrena araka ny Vaovao Mahafaly ; mampirisika ireo fikambanana handrafetana ny Vatan'i Kristy... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.
• Tokony ho nohadihadiana teny amin'ny PAC sy ny Bianco androany Ramatoa Annick Ratsiraka. Nilaza ny tsy hamaly izany fiantsoana azy izany izy, raha ny nambaran'ny fampahalalam-baovao sasany... • Misy mpandraharaha vahiny manafatra menaka efa akaiky ho lany daty eto aminstika, hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH. Miantso ny mpanjifa hitandrina, mialoha ny hividianana ireny entana nafarana ireny, ity fikambanana ity androany... • Nihaona teny Iavoloha androany ny Filoham-pirenena sy ny solontenan'ny Tambaben'ny Mpiasan'ny Jirama. Tsy hisy fandroahana mpiasa, mijanona ho fananam-panjakana zato isan-jato ny Jirama, hoy ny Filoha...
♦ Nanatevi-pahalalana nandritra ny telo andro momba ny fitantanana ny talen-tsekoly katôlika ato amin'ny Diôsezin'Antananarivo. Nodinihana nandritra ny fiofanana koa ny hamokarana boky fampianarana fiteny frantsay ho an'ny sekoly katôlika manokana... ♦ Manatanteraka ny diabe am-bavaka fanao isan-taona andiany faha-17 Tanà-Moramanga ny Pretra Carmes. Lohahevitra itondrana izany ny hoe "Mpivahinin'ny Fanantenana toa an'i Mompera Sergio, tarihan'i Masina Maria... ♦ Hapetraka amin'ny fomba ôfisialy rahampitso ny ben'ny tanàna vaovao ao amin'ny kaominina Ilakatra-Vohipeno. Tsy manaiky ny fanalàna ny ben'ny tanàna efa niasa ny mpomba azy...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco