• Tokony ho nohadihadiana teny amin'ny PAC sy ny Bianco androany Ramatoa Annick Ratsiraka. Nilaza ny tsy hamaly izany fiantsoana azy izany izy, raha ny nambaran'ny fampahalalam-baovao sasany... • Misy mpandraharaha vahiny manafatra menaka efa akaiky ho lany daty eto aminstika, hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH. Miantso ny mpanjifa hitandrina, mialoha ny hividianana ireny entana nafarana ireny, ity fikambanana ity androany... • Nihaona teny Iavoloha androany ny Filoham-pirenena sy ny solontenan'ny Tambaben'ny Mpiasan'ny Jirama. Tsy hisy fandroahana mpiasa, mijanona ho fananam-panjakana zato isan-jato ny Jirama, hoy ny Filoha...

[Miara-dàlana] Zoma 16 ôktôbra 2026

• Namoaka fehin-kevitra momba ny toromarika hiatrehana ireo fanadinam-panjakana, ireo talen-tsekoly katolika eto Madagasikara, nandritra ny fihaonambe tsy ara-potoana natao tao amin'ny Diosezin'Ambositra... • Tontosa ny 13 sy ny 14 ôktôbra 2026 ny fivoriana fanao isan-taona nataon'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Fampanjariana ny Fahamarinana sy ny Fiadanana... • Hotanterahana rahampitso any Turin ny Sorona Masina fanirahana ireo Misionera Salezianina Don Bosco...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...