♦ Nanatevi-pahalalana nandritra ny telo andro momba ny fitantanana ny talen-tsekoly katôlika ato amin'ny Diôsezin'Antananarivo. Nodinihana nandritra ny fiofanana koa ny hamokarana boky fampianarana fiteny frantsay ho an'ny sekoly katôlika manokana... ♦ Manatanteraka ny diabe am-bavaka fanao isan-taona andiany faha-17 Tanà-Moramanga ny Pretra Carmes. Lohahevitra itondrana izany ny hoe "Mpivahinin'ny Fanantenana toa an'i Mompera Sergio, tarihan'i Masina Maria... ♦ Hapetraka amin'ny fomba ôfisialy rahampitso ny ben'ny tanàna vaovao ao amin'ny kaominina Ilakatra-Vohipeno. Tsy manaiky ny fanalàna ny ben'ny tanàna efa niasa ny mpomba azy...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...