♦ Mpikambana avy amin'ny AFAFI/FET miisa 7.198 no hiatrika ny Kôngresy Eokaristika sy ny Fihaonambe Nasiônaly, izay hotanterahana any amin'ny Arsidiôsezin'Antsiranana. Miisa 15.000 kosa ireo mpizaika avy amin'ny Diôsezy isan-tsokajiny, ho tonga hanatrika ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly, ny 23 hatramin'ny 25 aogositra 2024... ♦ Feno 25 taona katroka ny Diôsezin'Ambositra. Ankalazaina amin'ny fomba manetriketrika izany, nanomboka androany... ♦ Nanavao ny antsony ny Papa François tamin'ny famaranana ny Audience générale tao amin'ny Efitrano Paul VI, tamin'ny alarobia teo...

Miroborobo etsy sy eroa ankehitriny ilay karazana fampiofanana atrehan'ny olona maro na ny " formation de masse". Tsy voafaritra mazava anefa ny fepetra maha fampiofanana azy,indrindra fa ny lasi-panofanana.

♦ Namotsipotsitra ireo olana iainan'ny vahoaka amin'ny andavanandro ny Filoha Tokely Justin, nandritra ny kabary fanokafana ny fivoriana tsy ara-potoana teny amin'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Plastika avokoa ny 10%-ny fako 18.985 taonina isan-taona eto Madagasikara... ♦ Miditra amin'ny andro faharoa ny zaikabe ho an'ny Fikambanan'ny Vadi-miaramila, na ny FIVAMI. Vadi-miaramila miray hina, miara-mientana ho an'ny fampandrosoana, io no teny enti-manentana amin'izany...

♦ Praiminisitra Ntsay Christian: hiatrika ny Antenimiera mpanao lalàna, hampahafantatra ny pôlitika ankapoben'ny fanjakana, na ny PGE, anio sy amin'ny alatsinainy ho avy izao... ♦ Mijanona ho 20% ny hetra alaina amin'ny ampahan'ny karama farany ambony. Ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ihany no mametra ny fiakaran'ireo karazan-ketra misy eto amin'ny firenena, hoy ny Foibe-pitondrana ankapoben'ny hetra... ♦ Orinasa JIRAMA: misy indray ny fahatapahan-jiro mifandimby ho an'ny eto Antananarivo sy ny manodidina, noho ny fihenan'ny tosiky ny rano anatin'ny vanim-potoana main-tany...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...