• Tsy ho afa-bela izay nanapoizina ny sakafo nitera-doza teny amin'ny sampanana Imerikasinina Ambohimalaza. Misy mpisompatra koa ao amin'ny JIRAMA, hoy ny Filoha Andry Rajoelina... • Mametra-panontaniana sy miahiahy amin'ny fisian'ny disadisa eo amin'ny Ben'ny Tananan'Antananarivo Renivohitra sy ny mpitondra fanjakana, ny Sendika Mahaleo tena eo anivon'ity Kaominina ity... • Efa mihatra ny karatra fahazoan-dalana elektronika ho an'ny fitrandrahana ny harena an-kibon'ny tany...
20 jona — I Masindahy Silvère no papa faha-58. Teraka tao Frosinone tao Campanie i Silvère, zanak'i Hormisdas. Voafidy ho papa ny 01 jona 536 izy, ary napetraka teo amin'ny Fiketrahana Masina ny 08 jona 536. Nanao ny andraikitra naha papa hatramin'ny 11 nôvambra 537 i Silvère. 19 ireo eveka nohamasininy nandritra izany naha papa azy izany, 13 ny pretra ary 5 ny diakra nametrahany tanana.
Fandraharahana ao amin'ny Eglizy ny maha pretra ; fandraharahana najoron'Andriamanitra ka mahatontosa ny ambaratonga samihafa. Ambaratonga tsy mitovy amin'ny eveka ny pretra fa eo ambaniny nanankinana fahatokisana amin'ny lafiny maro : fampianarana, fanamasinana, fitantanana, fitsinjarana ny fanompoana. Ny Pretra dia Mpisorona... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
• Hiresaka momba ny raharaham-pirenena ao amin'ny haino aman-jerim-panjakana anio ny Filoham-pirenena. Andrasana indray izay ho ambarany momba ny olana ara-tsosialy iainan'ny vahoaka ankehitriny... • Hovana ho “électronique” manomboka izao ny karatra fahazoan-dalana na “Permis minier” havoakan'ny Minisiteran'ny Harena an-kibon'ny tany. Nampahafantarina androany ny momba izany... • Tombanana hivoaka amin'ny faran'ity herinandro ity na ny voalohandohan'ny herinandro ho avy io ny voka-panadinana CEPE. Mitaraina ireo mpampianatra fa nahena ny isan'ireo mikirakira izany...
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco