• Nandravarava tamin'ny Fokontany telo any Mananjary ny afo. An-jatony ireo trano may ary an'arivony ireo traboina... • Anaty tevana ny demokrasia eto Madagasikara, hoy ny Transparency International Initiative Madagasikara. Malalaka kosa ny demokrasia eto amintsika, hoy ny Minisitry Serasera sy ny Kolontsaina... • Mety hiatrika olana hafa, ka mila fandalinana ny fampiharana ilay tetikasa EAGER, entina hanampiana ireo zazavavy mpianatra, hoy ny sekoly tsy miankina...

• Mbola tsy mitovy ny tadin-dokanga manoloana ny resaka demokrasia ho antsika eto Madagasikara... • Ahiana handroso hihemotra ihany ny vokatra ho azo amin'ny tetikasa AEGER izay entina hanampiana ireo zazavavy Malagasy amin'ny fianarana, raha ny fijerin'ny sekoly tsy miankina... • An-jatony ireo velon-taraina manolona ny fibodoana tany miseho any Mahajery, Morarano Gara Moramanga...

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

♦ Mametram-panontaniana ny DINEC foibem-pitondrana nasiônalin'ny fampianarana katolika hoe : Tena voka-panadinana tena izy ve no nivoaka tamin'ny fanadinam-panjakàna tamin'ny taom-pianarana 2024-2025 teo... ♦ Tokony araraotina ny maha-filoha mpitarika an'i Madagasikara ny vondrona SADC, mba ahafantsika manondrana vokatra any amin'ity vondrona ity hoy ny Ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana...♦ Seranantsambo maromaro eto Madagasikara no hitarina sy asiam-panavaozana, tanjona ny hampitomboana ny entana kirakiraina ao amin'ny seranana rehetra eto Madagasikara...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...