I Masina Maria dia nanaiky ny sitrapon'Andriamanitra, izy dia vehivavy virijiny nanaiky ny hafatr'Andriamanitra, ilay Eva vaovao. Miasa Andriamanitra ary mandamina ny zavaboahary ; tsy kisendrasendra ny fiainana eto an-tany fa misy Andriamanitra mitantana. Môdely ho antsika amin'ny finoana i Masina Maria, manana finoana mihalavorary hatrany, mihamatotra... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

Alahady faha-18 mandavantaona — D — Alahady 03 aogositra 2025 : Ny vola natao hanompo fa tsy hotompoina ; Miambena ary mivonòna ianareo, fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona. Tsy misy olona mahay manompo tompo roa, fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hoesoiny. Koa tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy ny vola hianareo.  Satria ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, ka ny sasany nentin'izany, dia efa nivily lavitry ny finoana, sy nandefona ny tenany tamin'ny fijaliana maro...

♦ Maro ny tsy fahatomombanana sy ny osoka, ary ny hala-bato hita tamin'ireo fifidianana nisesy teto Madagasikara ka ilaina ny fanitsiana ny Lalàm-pifidianana hoy ny antoko ALFA... ♦ Misy ny lamina manokana ho an'ny fahadiovan'ny tanàna sy ny filaminana ao Antananarivo-renivohitra, ary haseho ireo vahiny avy amin'ny SADC fa tena mahay mandray vahiny ny vahoaka Malagasy... ♦ Lalam-pirenena efatra lehibe no andalam-panavaozana amin'izao eto Madagasikara, araka ny fampahafantarana avy amin'ny Ministeran'ny asa vaventy... ♦ Hifarana rahampitso alahady ny andiany faha-20 amin'ny "Assemblée plénière" ho an'ny Evekan'i Afrika sy Madagasikara, ao Kigali...

♦ Nanolo-kevitra ho an'ny CENI hanatsaràna ny zotram-pifidianana eto Madagasikara ny Kômity mitandro ny fahitsiana na ny CSI. Tokony ampidirina anatin'ny Lalam-pifidianana ny ady amin'ny kolikoly... ♦ Manaraka ny vidin'ny solika eo amin'ny tsena iraisam-pirenena ny vidin'ny solika eto Madagasikara. Ny vidin-tsolika tamin'ny volana jona lasa teo no mihatra eto Madagasikara amin'izao volana aogositra izao, hoy ny Ministra tompon'andraikitra... ♦ Namoaka fanambaràna omaly voalohan'ny volana aogositra ny OJM holafitry ny Mpanao Gazety, manoloana ny valin-teny nataona filohan'Andraim-panjakàna iray tamin'ny mpanao gazety, izay miendrika fihetsika tsy mendrika...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...