♦ Hapetraka any amin'ny fokontany ny rafi-piaraha-monina vaovao atao hoe "Loharano" mba ahafahana manatsara hatrany ny ady atao amin'ny Coronavirus... ♦ Nihena roa ny isan'ny mararin'ny tsimok'aretina Coronavirus notsaboina tany amin'ny hôpitaly... ♦ Naiditra am-ponja vonjy maika eny Antanimora ny feran'ny herinandro teo ny talen'ny famoahana ao amin'ny gazety Valosoa, Arphine Rahelisoa...

Alatsinainy 06 aprily 2020 — Alatsinainy masina — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 12, 1-11 — Arahaba, ry Mpanjakanay ! Ianao irery no niantra anay tamin'ny hadisoanay.

Alahady 05 aprily 2020 — Ny nidiran'i Jesoa tao Jerosalema — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 21, 1-11 — Ho antsika, dia nanolo-tena i Kristy hanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin'ny Hazofijaliana. Ho valin'izany kosa, dia nasandratr'Andriamanitra ambony indrindra Izy : ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra.

Ny 5 hatramin'ny 13 Aprily lasa teo no nanatanterahana ny herinandro masina niavaka indrindra. Noho ny amehana ara-pahasalamana nisy dia tao amin'ny Lasapely ihany no nanatanterahana ireo fankalazana rehetra, nanomboka tamin'ny sampan-kazo ka hatramin'ny andron'ny paka.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...