Ny 5 hatramin'ny 13 Aprily lasa teo no nanatanterahana ny herinandro masina niavaka indrindra. Noho ny amehana ara-pahasalamana nisy dia tao amin'ny Lasapely ihany no nanatanterahana ireo fankalazana rehetra, nanomboka tamin'ny sampan-kazo ka hatramin'ny andron'ny paka.

Fahiny, manetriketrika tokoa ny fanomanana ny fankalazana ny andron'ny paka miaraka amin'ireo tanora any am-bala, sahirana erý manomana ny litorjia sy ny fety rehetra ka zary tsy mifantoka amin'ny vavaka aza indraindray. Nefa na dia eo ary ny zava-nitranga izay voalohany ho amin'ny tantara tokoa dia afaka niaina sy nivavaka ampilaminana ny fankalazana ny andron'ny paka.
Izany dia hijanona ho tantara mipetraka ho an'ny tsirairay satria inoana tokoa fa misy hafatra tian'Andriamanitra ho hampitaina nandritra ity fihibohana ity : mangalà isika fotoana mba handinihana sy hivavahana, hieritreretana ny fikambanana, ny firahalahiana, ary koa ny fifankatiavana. Andriamanitra dia nanome antsika fahafahana hikarakara ny tanorantsika fa tsy amin’ireo tolotra efa omentsika azy ireo ihany fa koa ny hivavahantsika ho azy ireo ary koa ho an'ireo tena sahirana.

FreraTohavina Harison Moïse, sdb

[Miara-dàlana] Zoma 11 septambra 2026

• Tovolahy miisa valo no nanonona ny Voady Voalohany, hiditra ho mpikambana ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco, ny talata 8 septambra 2026... • Fanomezana sarobidy sy andraikitra tsy maintsy arovana ny fahamendrehan'ny maha olona, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny “Audience générale” ny alarobia 9 septambra 2026... • Nandray ireo Eveka vaovao miisa 147 namonjy ny fiofanana any Roma, ny Papa Léon XIV omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...