Alahady 05 aprily 2020 — Ny nidiran'i Jesoa tao Jerosalema — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 21, 1-11 — Ho antsika, dia nanolo-tena i Kristy hanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin'ny Hazofijaliana. Ho valin'izany kosa, dia nasandratr'Andriamanitra ambony indrindra Izy : ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra.

0 : 00

Rehefa avy namakivaky ny vanim-potoanan'ny Karemy isika mianakavy, dia tafiditra soa aman-tsara ato anatin'ny herinandro masina izay manomboka androany. Herinandro masina izay iarahantsika misimisy kokoa amin'Andriamanitra Ray sy amin'i Jesoa Kristy, Ilay nanolo-tena naneho fara fitiavana antsika olombelona. Tsy hoe tsy niaraka tamin'Andriamanitra isika hatrizay, efa niaraka taminy hatrany ; fa amin'izao herinandro lehibe izao, mialoha ny hitsangan-ko velona, dia andeha isika tsirairay avy hiaraka mba hendrefy ny finoantsika, handinika ny tenantsika, handinika ny fiainantsika ary handinika ny toetrantsika, ampitahaintsika amin'ny fiainan'Izy Kristy.

Ilay olona nihoby an'i Jesoa, nanofahofa sampan-kazo, nihorakora-pifaliana niteny hoe : "Hôzana ! Hôzana !" no indro indray miredona manao hoe : "Fantsiho ! Fantsiho amin'ny hazofijaliana Izy !". Ry kristianina havana, fombantsika olombelona ny mora mivadika amin'Andriamanitra : ara-bakiteny tokoa ilay hoe : "Tsy mena-mivadika toa andro ririnina", ary ihany koa "Mivadibadika ohatran'ny lela may". Izay rehetra mivadi-belirano amin'Andriamanitra dia tsy maintsy ratsy foana no vokany, koa aoka isika tsirairay avy mba samy hahatana ny teny nomeny eo anatrehan'Izy Jesoa, eo anatrehan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fihetsika sy ny zavatra rehetra ataontsika.

Herinandro masina ny andro, andeha isika mianakavy vao mainka hanamafy ny fiainantsika sy ny fifandraisantsika lalina amin'Izy Andriamanitra Ray izay miantso antsika mba ho masina ao aminy. Ary mandritra izao herinandro lehibe izao, dia manolora tena, mandraisa fanampahan-kevitra matotra mba ahafahantsika tsirairay avy manamasina ny fiainantsika andavanandro amin'ny alalan'ny vavaka iombonantsika amin'ny Fiangonana manontolo sy amin'ny alalan'ny ezaka rehetra izay takian'Andriamanitra amintsika mba hamolahantsika tena ka ho afaka miara-mandresy amin'Izy Kristy. Jesoa ô !  Eo ankatok'izao herinandro masina izao tokoa izahay ankehitriny no indro miaraka mivavaka, mitalaho aminao, enga anie ny fiainanay izay iombonanay aminao, mba hahazoanay fahasoavana ahafahanay manolo-tena tanteraka ho Anao sy ahafahanay mankala am-pifaliana ilay Paka efa ho avy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 marsa 2025

• Tafajoro ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny Aumônerie de Catholique de l'Administration Pénitencière na ny ACAP, izay miandraikitra ireo mpikatroka eny anivon'ny fonja... • Ny 26 sy 27 avrily 2025 no hanatanterahana any Vohipeno ny pelerinazy diosezanina, iarahana amin'ny Olontsambatra Lucien Botovasoa... • Manosika antsika kristianina hanova fiainana ny faharetan'Andriamanitra, hoy ny Papa François omaly, tao amin'ny fandalinam-pinoana nomaniny, nozaraina tao amin'ny tranon-kalam-pifandraisan'i Vatican...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...