Anatin'ny fizahàna vahaolana maro lafy hanavotana ny firenena ny mpitondra ankehitriny, zava-dehibe ny teny famporisihina, ankoatra izany ny fahaizana mifanampy amin'ny hatao sy ara-kevitra. Aoka atao lohalaharana ny soa ho an'ny maro an'isa, miorina amin'ny fihavanana sy amin'ny fahaiza-mihaino. Mamotika ny fiahara-monina ny tsy fahaiza-mihaino. Midika ho firaisana tsikombakomba ny tsy fihainoana, manome vahana ny fandrombana ny harem-pirenena... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Mampiaka-peo ireo mpiaro ny zon'ny mpanjifa manoloana ny fikasan'ny sendikan'ny mpiasan'ny JIRAMA mitokona hanapaka jiro faobe. Hampitroatra ny mpanjifa ny firosoana amin'izany hoy ny PMH... ♦ Nosamborin'ny pôlisy omaly ny mpitarika ny sendika SMJ Andriamatoa Anmora Ratovomanarivo. Isan'ny anton'ny nisamborana azy ny fanohitohinana ny filaminam-bahoaka, ny fandranitana fankahalana olona, ny fanimbana fanana iombonana... ♦ Hanao adisisika hisian'ny teti-bola sahaza ho an'ny sehatry ny rano sy ny fidiovana ary ny fanadiovana ny firaisamonim-pirenena misehatra amin'izany (OSCEAH)...

Ny Sacrosanctum Concilium no fo sy fototra teolojia nitarika ny fanavoazana rehetra niseho tao amin'ny Litorjia taorian'ny Konsily Vatikana-II. Ny fanavaozana ny Litorjia dia tsy midika hanova amin'ny tsy antony, fa hanavao amin'ny fanajana ny lova masina sy ny foto-pampianarana marina : hanatsara ny fahatakarana sy fandraisan'ny vahoaka anjara, hanala izay zavatra tsy ilaina... Katesizy momba ny fanainga ny olona hiofana momba ny Litorjia, iarahana amin'i P. Herizo Ramamonjisoa.

• Voarohirohy amin'ny raharaha 11 miliara nalaina tao amin'ny CNaPS, ny Ben'ny Tananan'Antananarivo amperin'asa. Notazonina sy atao andrimaso eny amin'ny BIANCO Ramatoa Harilala Ramanantsoa... • Mila vahana haingana ny olana eo anivon'ny JIRAMA, izay mahatonga ny mpiasa manao fitokonana ankehitriny. Ny olan'ny famatsiana jiro sy rano mantsy no niteraka ny savorovoro teto amin'ny firenana ka niafara tamin'ny fionganan'ny fitondrana teo aloha... • Manana anjara toerana lehibe amin'ny fampandrosoana ny firenena ny sehatra tsy miankina, hoy ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, ny Dokotera Ramiarison Herinjatovo...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...